Tantara mikasika ny Kaomoro

Global Voices, mitady toniandahatsoratra hitarika ny fandrakofam-baovaonay ao Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara

  21 Novambra 2022

  Mpanoratra no sady toniandahatsoratra ve ianao, manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ireo endrika rehetran'ny faritra Afrika mampiasa sy miteny frantsay ao atsimon'i Sahara ? Mientanentana amin'ny famolavolana hevitra havadika ho tantara, lahatsoratra ho an'ny media sôsialy, sy famoahana lahatsoratra hafa iarahana amina vondrom-piarahamonina marolafy? Raha “eny” no havalinao...

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

  15 Oktobra 2018

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

“Moroni Blues” tantara an-kira Kômôriana

  12 Marsa 2008

Ny namana Vola, izay mpiblaogy Malagasy monina any Parisy, Frantsa no mitatitra ny fampisehoana izay natrehiny, tantara an-kira mitondra ny lohateny hoe “Moroni Blues”, diam-penin'ny mpanoratra Kômôriana Soeuf Elbadawi. Tsahivina fa i Moroni no renivohitry ny vondro-nosy Kômôriana : C'est l'histoire d'une ville – Moroni, où les grandes familles installées...