Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Novambra, 2014
Midina An-dalambe Ny Vahoaka Ao Borkina Faso Hiadiana Amin'ny “Filoha Mandra-pahafaty”
Nanenika ireo tanàn-dehiben'i Borkina Faso ireo hetsi-panoherana noho ilay sosokevitry ny Filoha Blaise Compaoré hanitsiana ny lalàm-panorenana izay mamela azy hirotsaka ho fidiana hitondra indray. Efa teo amin'ny fitondrana nandritra ny 27 taona izy.
Nanangana Hetsika Diezy Twitter Hanoherana Ny Orinasam-pifandraisana Goavana Iray Ny Ogandey
Nimenomenona nandritra ny taona maro noho ny tolotra mahatsiravina omen'ny MTN an'ireo mpanjifany ny Ogandey, ka nanapa-kevitra hanambatra ny heriny ireo Ogandey ary nanangana ny hetsika diezy Twitter manohitra ny MTN.
Ny Andron'ny Fifidianana, Nanakatona Ny Vohikala @Verdade Mpilaza Vaovao Ao Môzambika Ny Fanafihana Anaty Aterineto
Ny ankatoky ny fifidianana io fanafihana io no niseho ary nahavita nanakatona ilay vohikala vantany vao nifarana mihitsy ny fifidianana ka hanisa vatom-pifidianana.
Mamadika Ny Diky Ho Fidiram-bola
Nikarakara karajia tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny diezy #WasteOpportunities ny Clean Team Ghana mba hiresahana momba ny fomba fampiasana indray ny diky ho fidiram-bola.
Lasa i Compoaré, Manadio Lalana sy Manahy Amin'izay Ataon'ny Tafika ny Fiaramonim-Pirenena Burkinabé
Misavoritaka ny ao Burkina Faso taorian'ny revolisiona niteraka ny fandroahana an'i Compaoré.
50 Taona Aty Aoriana, Manontany Ny Dikan'ny Fahaleovantena ny Zambiana
Raha nankalaza ny fety tamin'ny alalan'ny hanim-pito loha, lokom-pirenena sy izay zavatra azon'izy ireo lanjaina amin'ny tanàna ny Zambiana manerantany, misy kosa ireo mpanara-baovao sasany nametraka fanontaniana matotra mikasika ny taloha sy ny hoavin'ny firenena
Fihaonan'ny Global Voices (Meetup) Voalohany Ao Accra, Ghana
Hotontosaina amin'ny Asabotsy 15 Novambra ao Accra ny Fihaonan'ny Global Voices voalohany ao Ghana. Fotoana iray hoan'ireo miasa eo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao an'olo-tsotra hizarana traikefa ity.
Tanoran'i Djibouti Mijery Tàratra An'i Burkina Faso Mba Handrafetany Làlana Demaokratika
Tamin'ny 3 Novambra, nanao diabe ny Hetsiky ny Tanora Mpanohitra, namakivaky ireo arabe tao Djibouti hanoherana ny fibodoana fahefana nandritr ny 15 taona nataon'i Ismaïl Omar Guelleh.
Fitaovana Nomerika, Fampandraisana Anjara ireo Tanora Ao Tanzania sy Meksika Amin'ny Demaokrasia
Filan-kevitry ny Tanoran'ny Mwanza (Tanzania), #Yosoy132 (Meksika), ohatra roa amin'ny fampidirana ny tanora amin'ny fizotry ny demaokrasia izay noresahana nandritra ny Forum manerantany 2014 momba ny demaokrasia tao Strasbourg.
Maninona i Madagasikara No Tafalatsaka Indray Anatin'ny Haizina?
Ireo fandisoam-panantenan'ny orinasa mpamokatra herinaratra any Madagasikara araka ny fahitan'ireo Malagasy mpampiasa aterineto.