Ny asan'ny mpiaro ny tontolo iainana hihazonana ny anjara asan'ny natiora amin'ny fananganam-pandriampahalemana ao Ogandà avaratra

Bicentina Auma, filohan'ny kaoperativa kely tantsaha any avaratr'i Ogandà, mijinja ampemby. Sary avy amin'ny DFID – Departemantan'ny Fampandrosoana Iraisampirenena UK avy amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 4.0 DEED).

Nosoratan'i Maria Andrea Nardi ity tantara ity ary navoakan‘ny Peace News tany am-boalohany, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikantsoratra nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nisy ny “famoretana” natao tamin'ireo mpiaro ny tontolo iainana manerana an'i Ogandà. Miaro ny tontolo iainana voajanahary ny mpanao gazety, ny mpianatra, ny tantsaha ary ny tambanivohitra, manao fihetsiketseham-panoherana sy mifanentana manoloana ny fitondrana tsy ara-drariny sy ny famindra-toerana an-keriny vokatry ny [fanorenana] fotodrafitrasa fisintonan-tsolika milevina, ny bizina fambolena, ny herinaratra avy amin'ny rano, na ny fanonerana ara-karbaona. Nampifandona ny manampahefana sy ny tombotsoan'ny mpanana renivola lehibe amin'ireo mpiaro ny tontolo iainana mikatsaka ny fiarovana ny tontolo voajanahary manoloana ny fanitaran'ireo vondron'orinasa mitady tombombarotra ny fari-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany ho any amin'ny faritra vaovao. Ao anatin'izany toe-javatra izany, sy 15 taona taorian'ny nifaranan'ny ady mitam-piadiana tany avaratr'i Ogandà, dia manontany tena izahay raha mety haharitra ny fandriampahalemana ao amin'ity faritry ny firenena ity.

Mba hahatakarana feno ny disadisa misy amin'izao fotoana eo amin'ny tany na ny fiarovana ny tontolo voajanahary, dia ilaina ny mandinika ny fomba itsofohan'ny voary ao anatin'ny politikam-pananganam-pitoniana sy ny fampandrosoana. Mitranga izany satria matetika tery ny fahatakarana amin'ny fantsofohan'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ny tontolo voajanahary amin'ny fiainany andavanandro. Olana telo no misongadina amin'ny fahazoan'ny voary mandray anjara amin'ny fampiroboroboana ny fitoniana sy ny fampandrosoana mateza any avaratr'i Ogandà mihoatra ny anjara andraikiny amin'ny fampidiram-bola amin'ny alalan'ny fitrandrahana akora. Manandanaja ny tontolo voajanahary amin'ny fandriampahalemana noho ny asany amin'ny (a) rafitra fampisiana dikany avy amin'ireo karaza-marika (semiotika), (b) toerana ho an'ny daholobe, ary (c) fomba fampihavanana.

Ny voary ho rafitra fampisiana dikany ireo karaza-marika

Any avaratr'i Ogandà, raha nandao tobim-pifindramonina anatiny ny olona ka nody taorian'ny ady, dia asehon'ny porofo fa nipoitra ny disadisam-pianakaviana sy foko noho ny fihenan'ny velaran-tany azon'ny iray ampiasaina. Anisan'ny anton'izany ny fiovan'ny tontolo voajanahary, satria voaisotra ireo songadina teo amin'ny endri-tany nampiasaina ho marika fizaran-tany.

Miasa ho rafitra semiotika ny tontolo voajanahary, fa mitondra dikany lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ireo singa toy ny renirano, havoana ary hazo. Ireny songadina ireny no manoro ny olona rehefa mitety ny manodidina azy izy sy ijoroany fa azy io tany io. Ohatra, ny hazo manga eo amin'ny sampanan-dalana na ny vato eo akaikin'ny dobo no mety ho marika hahitan'ny olona iray ny lalany mody. Raha tsy misy ny rafitra ara-dalàna fanavahan-toerana, dia zava-dehibe ny fizakan-tany ara-pombandrazana, ary miankina amin'ireo mari-pamantarana an'endritany ireo matetika ny fihazonana ny fihavanana eo amin'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Ny voary ho toeram-bahoaka

Any Ogandà, toerana manan-danja hanaovam-pivoriana ny alaala ao an-tanàna. Fialofana amin'ny masoandro ireny; mialoka aminy ny olona ho fampangatsiahana, hiresahana, hilalaovana, hamakian-teny, hampianarana na hianarana, ary hiresahana momba ny hoavin'ny fiaraha-monina eo an-toerana. Misy aza karazan-kazo sasany aza heverina ho masina, ary ny sasany, noho ny habeny, ny endriny, na ny toerana misy azy, ivavahana (toy ny hazo Nakayima any afovoan'i Ogandà).

Mety ho sehatra fandraisana anjara ara-politika, fanomezana hery, firaisankinam-piarahamonina, ary fanasitranana sy fampihavanana ny fiarahamonina ny toeram-bahoaka ambany hazo. Noho ny antony ara-tontolo iainana sy ara-politika, manana ny fisongadinany manokana ny “natiora” any amin'ny vohitra sy tanàndehibe, araka ny asehon'ny asa ataon'ireo fikambanana ara-tontolo iainana any avaratr'i Ogandà amin'izao fotoana izao.

Ny natiora ho fitaovana fampihavanana

Nomarihan'ny Dinan-tamberin'andraikitra sy ny fampihavanana nosoniavina tamin'ny taona 2007 nifanaovan'ny governemantan'i Ogandà sy ny Tafi-Pifaharan'ny Tompo ireo fombafomba nentim-paharazana nataon'ireo foko ao an-toerana “hampihavanana amin'ny fomba ofisialy ireo antokon'olona nifanditra, aorian'ny tamberin'andraikitra feno.” Iray amin'izany fomba izany ny Mato Oput: lanonam-pampihavanana fanao rehefa misy olona iray avy amin'ny foko mpinamana nisy namono. Tondroin'izany anarana izany ny fisotroana oput, zava-pisotro mangidy nomanina tamin'ny fakan-kazo oput ary sotroina any amin'ny faratampon'ny lanonana. Ho an’ny sasany, dia “angamba tsy misy hazo iray manan-danja kokoa amin’ny asa lehibe fanasitranana amin'ny ady an-trano feno habibiana nanerana an’i Acholiland nandritra ny 20 taona mahery”.

Ilaina amin'izany lanonana izany izay manamarika ny fiafaran'ny dingana fanelanelanana naharitra fotoana lava ireo ampahany maro amin'ny hazo oput sy ireo singa voajanahary hafa. Ilaina amin'ny tamberin'andraikitra sy fampihavanana eo an-toerana, amin'ny fanasitranana sy fitazonana ny fandriampahalemana ny tontolo voajanahary. Manahy amin'izao fotoana izao ny mpiaro ny tontolo iainana sy ny mpitarika ara-kolontsaina noho ny fitomboan'ny fanapahana hazo oput any avaratr'i Ogandà.

Mpiaro ny tontolo iainana mpanorina fandriampahalemana

Mety hampitombo ny fifandirana ny fahatakarana tery sy ny fampiasana ny zavaboary izay mametra ny fahafahan'ny olona hifandray amin'ny tsirairay sy amin'ny tontolo iainany, na amin'ny alàlan'ny fanilikilihana ny fahalalàna sasany na amin'ny famotehana ny fototry ny fifandraisana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana.

Noho izany, maika ny fanavaozana ny fomba ampidirana ny hasarobidin'ny zavaboary amin'ny politikam-pananganam-pandriampahalemana sy ny fampandrosoana misy amin'izao fotoana ao Ogandà. Zava-dehibe ihany koa ny fanohanana ireo mpiaro ny tontolo iainana izay manosika ho amin'ny fampiatiana ny fomba fijery eo an-toerana momba ny zavaboary amin'ny paikady fampandrosoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.