Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Oktobra, 2021
Ny naposaky ny Pandora Papers manerana ny firenena miteny paortiogey
Mpanao politika maro no voarohirohy tany Angola, Mozambika ary Portiogaly. Talohan'izay, tsy mbola voapaingotra tamin'ny afera maizina any ivelany ny anaran'izy ireo.
Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra Shinoa
Mifanohitra amin'ny fankasitrahana ofisialy, matetika manakiana ny kalitaon'ireo tetikasa ireo sy ny vokatra sinoa amidy any Etiopia ny vahoaka Etiopiana.
Mandrakitra tantaram-pampandrosoana lovainjafy any Afrika ny fetiben'ny sarimihetsika
Hanamora ny fifampiresahana sy ny hetsika eo amin'ny fifangaroan'ny famoronana, mpamorona, mpikatroka ary mpanentana samihafa izay miasa amin'ny Tanjon'ny Fampandrosoana Lovainjafy manerana an'i Afrika ny fetibe.
Nahoana i Twitter nanohana ny #EndSARS ao Nigeria fa tsy nanohana ny #FixTheCountry ao Ghana?
Na dia tsy mazava aza ny antony, ny hetsika ataon'ny Twitter dia ahafahana mihevitra fa tsy te-hiditra ao anatin'ny raharaha politika ao Ghana tahaka izay ataony ao Nigeria izy, eny fa na dia midika ho tsy fiarovana ny zo ankihin'olompirenena aza izany.
Ny aorian'ny #EndSARS: Ny fandraràna ny Twitter sy ny dikan'izany ho an'ny tanora Nizeriana
Nanaporofo feno ny vaikan'ny media sosialy raha ampiasaina hanandratana ny feo ny hetsika nanerana ny firenena #EndSARS hanoherana ny herisetran'ny polisy, hetsika iray izay toy ny tadio tao amin'ny firenena tamin'ny volana Oktobra 2020.