Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2010
Soudan: Inona no azo tsoahina tamin'ny fifidianana?
Nifarana tamin'ny 15 aprily lasa teo ny fifidianana tany Soudan, kanefa, na dia mifarana aza izany dia mbola resabe ny fangaraharana sy maha azo antoka azy eo amin'ireo mpanao politika...
Afrika Atsimo: Firohotana mividy tapakila nony manakaiky ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany 2010
Nanamarika ny andro voalohan'ny fivarotana ny tapakilan'ny Amboara erantanin'ny FIFA any Afrika Atsimo ny fikorontanana ary nisy mpankafy iray mihitsy aza maty. Mihoatran'ny tapakila 500,000 no efa lafo tany amin'ireo mpivarotra mpanijara tao an-toerana
Soudan: web ampiasaina hampadio fifidianana, fahamarinana ary ny demokrasia
Eo am-piandrasana ny vokatra farany tamin'ny fifidianana manan-tantara tany Soudan isika dia andeha hojerena ny fandaminana sy ireo hetsika hita any amin'ny web nampanjakana ny fahamarinana, ny fahafahana sy ny...
Madagasikara: Fanonganam-panjakana misesisesy rehefa mihamanakaiky ny fifampiraharahana
Taorian'ny fanesorana tamin'ny toerany ny minisitry ny foloalindahy tamin'ny 7 Avril noho ny fiampangana azy ho nikasa hanongam-panjakana, manontany i Achille52 hoe inona indray ny dikan'ity filazana ho nisiana fanonganam-panjakana hafa...
Rwanda: nampiato gazety
Nametraka rohy amina tantara vitsivitsy mahaliana avy any RD Kôngô i Jason : “* Nampiato gazety roa mpitsikera tsy hivoaka mandritra ny enim-bolana i Rwanda, izany hoe tsy afa-mitatitra ny...
Afrika Atsimo: Ilay vehivavy nandany 7 volana tany amin'ny fonja natao ho an'ny lehilahy
Talohan'ny namotsorana azy noho ny fikasàna hangalatra sy hàka an-keriny tany Afrika Atsimo, notànana tamina fonjan-dehilahy nandritry ny fito volana i Denise Abbah mandra-piandry ny fitsarana azy. Noheverin'ireo mpandraharaha ny...