Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2020

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Septambra, 2020

Gabôna hatrany Môzambika, mampanontany tena an'ireo artista ny dikan'ilay fomba fiteny hoe “Ny Tontolo Atsimo” ao anaty fampirantiana iray vaovao ety an-tambajotra

«Aiza ny Atsimo» atolotr'ireo artista 90 avy amina tanàna samihafa manotany tena momba ny dikan'ilay fomba fiteny hoe «Ny Tontolo Atsimo»

Fotoana izao hanesorana an'i Sodàna tsy ho anatin'ny lisitr'i Etazonia manondro ireo firenena mpampihorohoro

Tamin'ny 1993 i Sodàna no tafiditra tao anatin'ilay SST, lisitr'i Etazonia ahitàna ireo firenena mpanohana ny asa fampihorohoroana, saingy tsy misy na iray aza amin'ireo antony naroso tamin'izany fotoana izany no mbola mitombina ankehitriny. Fotoana izao tokony hanesorana azy tsy ho ao anatin'ilay lisitra SST intsony

Tatitra COVID-19 ataon'ny media frantsay: tsinontsinoaviny ireo manampahaizana manokana avy amin'ny vitsy an'isa

Tsy ahitàna taratra ny hamaroan'ny karazan'olona ao Frantsa ny fisehoan'ireo manampahaizana momba ny fahasalamana miseho amin'ny fahitalavitra frantsay mba hiresaka momba ny valanaretina "coronavirus"

Kenya : Keniàna mihetsika mitaky ny fandraràna ilay fanafody Furadan famonoana bibikely le pesticide Furadan

"Raha fantatra ankehitriny ny fahapoizinana nahazo ireo liona, ny an'ireo vorona kosa mbola mampivarahontsana lavitra noho izany. Tatitra iray avy amin'ny KWS no milaza fa mahafeno kamiao ny isan'ireo vorona maty amin'izao fotoana izao. " (2009)

Fitroarana Sodana: sit-in ao Nertati, ny onja vaovao

Tamin'ny 28 jona, nivory nanao sit-in ny olom-pirenena izay mbola mitohy mandraka androany mitaky zava-dehibe maro: famaranana hatreo ny fanafihan'ny milisy ny sivily, fanesorana ny fitaovam-piadiana, fisamborana ireo nahavanon-doza ary fiarovana ara-pambolena mandritra ny fotoam-piotazana [fijinjana].

Mbola tsy hita i Abubakar Idris Dadiyata avy any Nizeria, herintaona taorian'ny fakana an-keriny azy

"Nahoana no very tsy misy soritra mandritra ny herintaona tany Nizeria i Dadiyata kanefa tsy miraika akory ny amin'izany ny governemanta fa mitady fanadiovan-tena ary tsy mandray andraikitra feno amin'ny fitadiavana azy ?"

Farafahakeliny vehivavy mozambikana mpianatra polisy 15 no bevohokan'ny mpampianatra azy ireo, araka ny dosie ao anatiny

Mpiserasera maro no naneho ampahibemaso ny fahasorenany manoloana ny fanapahan-kevitry ny sekoly, ery nitaky ny rariny ho an'ireo vehivavy ireo.