· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2012

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott, renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.. Mamintina ny fanehoan-kevitra tety anaty aterineto i Ahmed Ould Jedou.

31 Jolay 2012

Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda

Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.

26 Jolay 2012

Ghana: Lohahevitra Tao Amin'ny Tontolon'ny Twitter Ghaneana Ny Fahafatesan'ny Filoha-

Ny 24 Jolay 2012 dia niaina zavatra nampalahelo i Ghana, sambany teo amin'ny tantarany: Ny filoha amperin'asa no nodimandry.. Nampiasa ny Twitter hamoahany ny hatairany sy ny alahelony ireo Ghaneana .Nikapoka tao amin'ity tranonkalanà media sosialy ity ny vaovao momba ny nahafatesan'ny Filoha talohan'ny nanamafisan'ireo tranom-pampahalalam-baovao azy ho ofisialy.

25 Jolay 2012

Maoritania: Kolontsaina Manan-karena Lalao, Dihy ary Mozika

Maoritania dia mitoetra amin'ny toerana ifanenan'ny kolontsaina Arabo sy Afrikàna; izy no mampifandray ireo firenena any Avaratra sy Andrefan'i Afrika. Nanome azy toetra manokana izany, Hita mibaribary izany amin'ny fomban-drazana ao Maoritania manan-karen-dalao, dihy ary mozika. Ato amin'ity lahatsoratra ity dia omenay ohatra vitsivitsy ianao.

22 Jolay 2012

Angola, Sina: Miresaka Momba Ny Fampandrosoana Vaovao “Tanàna Maty” Ireo Mpampiasa Aterineto

Nampiditra orinasa Shinoa ny governemanta ao Angola mba hanangana tranobe lafo dia lafo miisa 750 ao Kalimba, eo ho eo amin'ny 30 kilometatra ivelan'i Luanda. Na dia eo aza ny fananana harena an-kibon'ny tany, dia olona maro ao Angola no miaina ao anaty fahantrana tanteraka ary tsy mahatakatra ny vidin'ireo tranobe. Ho lasa tanàna lehibe indrindra ao Afrika ve Kalimba?

20 Jolay 2012