Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2019

30 Avrily 2019

Tatitry ny Mpisera : Poretin'i Etiopia ny fahalalahana maneho hevitra

GV Mpisolovava

Ny famoahana tamin'ny herinandro lasa dia mitodika voalohany indrindra amin'i Etiopia, avy eo any amin'ireo hetsipanoherana #LeyTelecom tao Meksika sy ny valinkafatr'ireo orinasa teknolojika rosiàna manoloana ireo fepetra vaovao momba ny bilaogy.

29 Avrily 2019

Tantara iray avy amin'ny Global Voices manampy ireo mpandresy tamin'ny fifaninanana fandikanteny amin'ny fanehoana ny firehetampony ho an'ny teny Tseky

Manolotra loka ho an'ny mpandresy manerantany tamin'ilay fifaninanana iraisam-pirenena nampiasàna tantara iray an'ny GV ho adika amin'ny teny Tseky

28 Avrily 2019

Bahrain: Omar Al Bashir sy ny fitsarana mitanila

Maneho hevitra amin'ny vaovao momba ny didy fisamborana ny filoha Sodaney Oma, navoakan'ny Fitsarana Heloka bavava Iraisam-pirenena (ICC amin'ny teny Anglisy).

26 Avrily 2019

Manentana ny mpomba azy ao amin'ny antokony hiroso amin'ny fifandonana ny filoha Alpha Condé

Mandrisika ireo mpanohana azy ho vonona amin'ny fifandonana ara-batana amin'ireo olona izay manohitra ny fikasany handrombaka ny fe-potoana fahatelo hitondrany i Alpha Condé, filoham-pirenena ao Guinée.

25 Avrily 2019

Zava-misy mampatahotra sa zava-poronina mahavariana?

Tonga ny fizarana fahatelo amin'ny andiany "tarazo, matoatoa, devoly sy ny tahotra", ary mijery ivelan'ny sisintanin'i Amerika Latinina isika amin'ity indray mitoraka ity.

24 Avrily 2019

Feo Avy Amin'ny Zimbabwe Plus

Nanao antso avo ny amin'ny tokony hampiatoana ny fampiasana ny aterineto ho fanimbazimbana ny fahalalahan'ireo firenena an-dalam-pandrosoana ny filoha Zimbaboeiana, Robert Mugabe.

22 Avrily 2019

Fepetra manavakavaka noheverina hiaro amin'ny herisetra ara-nofo, nokianin'ireo vehivavy malagasy

Ao anatin'ny fiarahamonina malagasy, tendron'ny vongan-dranomandry iray goavambe fotsiny ihany ny herisetra manjo ny vehivavy

Maoritaniàna Bilaogera .Miatrika Fanenjehana ho Nanala Baraka Tamin'ny Filazàna Kolikoly

GV Mpisolovava

Nampangain'ny Minisiteram-bahoaka ireo blaogera roa ho nanaparitaka an'izay lazainy fa tatitra "diso" mikasika ny fisiana kolikoly maha-voarohirohy ny filoham-pirenena Maoritaniana.

Voasakana any Gambia ny Chat Viber?

GV Mpisolovava

Milaza ireo manampahefana ao amin'ny governemanta fa manakana ny fidiram-bola tena ilain'ireo mpamatsy fifandraisandavitra eo an-toerana ny Viber sy ireo tolotra serasera hafa mifototra amin'ny Aterineto. Manolo-kevitra ireo tsikera fa mety anton'ireo fanakanana ny ahiahy ara-politika.

19 Avrily 2019

Ny vehivavy no mitarika ny hetsi-panoherana any Sodana

"Eo anoloana, eo ankavia ary eo afovoan'ny revolisiona ny vehivavy. Rehefa nanomboka nanao hetsi-panoherana ny olona dia heno ny feo toy ny hoe: 'Tokony hijanona any an-trano ny vehivavy.' Fa - tsia hoy izahay.