Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Janoary, 2018
Ampianarin'ny Afrikanina Mikasika Ny Fitantanana Mahomby ny Filoha Amerikana Taorian'ny Fanambarany ‘Shithole’ Niteraka Hatezerana
ENY manana ny olany i Afrika sy ny fireneny .. tsy iadian-kevitra izany .. saingy tafahoatra ny fanevatevana sy ny tsy fanajana tanteraka ataon'ny firenena izay nangalatra ny harenany nandritra ny taona maro.
Ilay Fahafatesana Tsy Voafaritry ny Fotoana An'ilay Mpanao Gazety Ethiopiana Tany An-tsesitany

Niasa ho mpanao gazety ara-panatanjahantena sy politika nandritra ny efa ho folo taona i Ibrahim, raha tsy hoe voatery nandositra izy tamin'ny taona 2014. Tsy irery i Ibrahim, izay namoy ny ainy teo amin'ny faha-40 taonany.
Ny tetikasa Arrorro: Ny Hira Fandrotsirotsiana Zaza Manerana Izao Tontolo Izao
Nanao ezaka mba hitrandrahana, handraketana ary hanangonana ireo hira fandrotsirotsiana manerana izao tontolo izao ilay mpanakanto Gabriela Golder avy any Arzantina, ary niezaka nitady ny mampitovy azy ireo ho an'ny Tetikasa Arrorro.
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.
Nisambotra Mpanao Gazety sy ny Rahalahiny Ny Polisy Nizeriana Noho Ny Lahatsoratra Tsy Nosoratan'izy Ireo Akory

Tsy tokony hiditra an-tsokosoko ao an-tranon'ny mpanao gazety ny polisy ary managadra azy satria fotsiny hoe tsy tia zavatra voasoratra tamin'ny gazety ny manamboninahitra iray.
Manahy Ireo Ogandey Fa Ho ‘Hihitsoka’ Miaraka Amin'ny Filoha Museveni Izy Ireo Rehefa Nofoanana Ny Volavolan-dalàna Momba Ny Fetran-Taona
"32 taona tao anatin'ny tsy fahombiazana ary ankehitriny isika dia mbola mihitsoka miaraka amin'ity olona tsy mahomby sy tia tena ary manana governemanta kiantranoantrano ity!"
Zimbaboe: Nianatra Ny Tsikera Mahasoa Tamin'ny Alalan'ny Fandaharana Tao Amin'ny Fahitalavitra
Tamin'ny alalan'ity dingana ity no nanoratan'ny ankizy, nanatontosany, nakany sary ary namoahany horonantsary fohy mampiseho fa mety hamono ny fifosana sy ny tsikera ratsy atao.
Very Noho ny Kolikoly ny 20-40%n'ny Famatsiam-bola Amin'ny Sehatry ny Rano aty Afrika
Manazava [amin'ny teny anglisy] ao amin'ny tranonkalan'ny Tambajotram-Panao Gazety WASH Afrika Andrefana WASHi Mustapha Sesay, Ambasadaoron'ny fahadiovam-pitantanana amin'ny sehatry ny rano ao Afrika Andrefana, : L’accès à l’eau potable à...
Maro Ireo Angoley No Nihomehy Sady Naneso Taorian'ny Tsy Fetezana Nisy Tamin'ny Fandefasana Ilay Zanabolana Voalohany
"Ny fametrahana zanabolana an'habakabaka kanefa tsy misy ny fanafody, ny sakafo, ny fanabeazana manara-penitra, ny fitsaboana mendrika ho an'izany anarana izany,... dia toa zava-poana raha ho ahy..."
Metropolis TV Sy Ny Hivos: Lahatsary Ho An'ny Olona Mahaleotena
Tetikasa Hivos sy VPRO TV any Holandy ny Metropolis TV, izay mampiray ireo mpanatontosa horonantsary sy ireo mpanao gazetin-dahatsary manerantany mba handrakitra an-tsary sy hampita ny lafiny samihafa amin'ny fiainana sy ny kolontsaina any an-tanindrazany.