Tantara mikasika ny Sierra Leone
Ady amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra ao Sahel sy ao Afrika Andrefana : fanamby lehibe iray ho an'ireo mpitarika fivavahana
Manana andraikitra lehibe amin'ny fisorohana sy fanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra ireo mpitarika fivavahana.
Sarimiaina hanoherana ireo hevi-diso momba ny valanaretina Ebôlà
Sarimiaina iray ho alefa ho entina miady amin'ireo hevi-diso momba ny fomba fifindràn'ny valanaretina
Esorin'ny Ebôlà amin'ireo Afrikàna ny kolontsainy sy ny soatoavina maha-olona an-dry zareo
Vao mainka mampanalavitra kokoa ny vahoaka amin'ireo manampahefana ireny fepetra henjana ireny. [...] Mahatsiaro ho irery ny vahoaka. Nilaozana. Tonga avy any ny volabe mikararàna, betsaka ny fanohanana tonga , fa mbola miha-mahazo vahana isanandro eny an-kianja ihany ilay valanaretina
Fanaovana sarintanin'ireo tranga Ebôlà 567 tany Ginea, Liberià ary Sierra Leone
Tsy misy ny fitsaboana manokana natao ho an'ilay viriosy izay mitarika taham-pahafatesana avo be tokoa
Nilaza amim-pahadisoana ny fankatoavan'i Jamaika azy ny politisianin'i Kosovo. Fa naninona no tsy nanamarina ny media?
Nilaza ny fankatoavan'i Jamaika ny fireneny ho manana ny fiandrianam-pireneny nahazo tatitra betsaka tamin'ny media ny manampahefana Kôsôvara tamin'ny 19 febroary. Ary notsipahan'i Jamaika avokoa izany rehetra izany avy eo.
Tena zavadoza tokoa ve ireo vaksiny andrana hanoherana ny Ebola?
Manamafy ny hetsika ataony ny vondrompiarahamonina iraisampirenena mba hamongorana ilay valanaretina. Marobe ireo firenena nilaza fa nahita vaksiny na fanafody ary efa nampiasainy sahady tsy nanaraka ny zotra fanao takiana ho an'ny fanafody rehetra.
Areti-mifindra, Fifandonana Sy Ireo Fotsy Hoditra Mpamonjy: Ny Endrik'i Afrika Nasiana Fanovàna Araka Ny Hollywood
Miresaka ny viriosy mitovitovy amin'ny ébola ny sarimihetsika "Outbreak", nivoaka tany amin'ny trano fijerena sarimihetsika tamin'ny taona 1995. Efa niova ve ny fijerin'i Hollywood an'i Afrika?
Guinée-Conakry: Mijoro tsy milefitra manoloana filoha tia fahefana tafahoatra
Manomboka mahazo vahana ao Afrika Andrefana ny fivoarana teknolojika ahafahan'ny olontsotra mandrakitra lahatsary sy mametraka lahatsary ety anaty aterineto...Sarobidy ny fijoroana vavolombelona anaty lahatsary tahaka izany satria sarotra tadiavina ny feon'ireo olompirenena
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara
''Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. ''