· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2017

Jereo Mivantana Ny Vovonana Global Voices 2012!

  31 Desambra 2017

Natao tany Nairobi, Kenya (2-3 Jolay) ny Vovonana Global Voices 2012. Satrinay raha niaraka taminay tany ianareo kanefa afaka mijery ny lahatsary mivantana sy miresaka mivantana aminay ianareo raha tsy afaka nanatrika izany .

Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria

  28 Desambra 2017

Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany mba hankalaza Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.

Ganà: Ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana Amin'ny ICT

  23 Desambra 2017

Ny alakamisy maraina teo, natomboko tamin'ny fitsidihana samirery ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana amin'ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay: Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana], ivontoeram-piofanana manaraka ny teknolojia avolenta natsangan'ny fitondran'i Inde sy Ganà, ny tontolo androko.

R.D. Kôngô: Resadresaka Niarahana Tamin'ny Bilaogera Tony Katombe

  23 Desambra 2017

Bilaogera avy ao amin'ny R.D. Kôngô i Anthony Mica Katombe (Hafohezina ho Tony) izay ''handray 39 taona amin'ny 13 Aprily''. Manana maripahaizana momba ny teny Anglisy sy ny Fandalinana ny Kolontsaina Afrikana avy aminà Anjerimanontolo Kôngôley izy. Ny marain'ny resakay tamin'ny messenger, voahodidinà lehilahy mitam-basy ny tanàna niaviany tao Kinshasa.