Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2023
Hitan'i UK ho olana ny fifindra-monina, tsy mihevitra izany kosa ny mpandala zon'olombelona sy ny Vondrona Afrikana
Nanao soniam-pifanarahana mampiady hevitra ny Fanjakana-Mitambatra (UK) sy Rwanda hamindrana ireo mpitady fialokalofana sasany tonga ao UK ho any Rwanda
Tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny fiantraikan'ny fidiran'i Afrika ho mpikambana amin'ny G20
" Maminavina fitomboana ara-toekarena tsara sy fiarahamiasa ireo manampahaizana sasany, raha toa ireo hafa kosa maneho fisalasalana, mametraka olana amin'ny fahombiazan'ny Firaisambe Afrikàna sy ny fahafahan'ny G20 hamaha ireo fanamby miavaka ao Afrika."
Adihevitra manodidina ny fandraràn'ny parlemantan'i Kenya ny ‘akanjo Kaunda’ sy ny fitafy nentin-drazana afrikana
Mandresy lahatra ireo mpikirakira media sosialy hafa fa fomba iray hitadiavana ny maha-izy azy sy hankalazana ny fiangeso Afrikana ny fandraisana ny akanjo nentim-paharazana Afrikana, milaza fa mifanohitra amin'io fihetseham-po io ny fandraràna toy izany.
Ny fomba fampiasàn'ny sambo misoratra anarana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ny sainam-pirenena hafa hanafenany ny jono tsy ara-dalàna, tsy misy tatitra ary tsy voafehy ataony ao Afrika Andrefana
"... milaza ireo manampahaizana momba ny an-dranomasina fa nampiasain'ireo mpandraharaha tamin'ny fomba tsy manara-penitra ny "sainam-pirenena" mba hadosiran'izy ireo ny andraikiny..."
Hetsika iray mihamitombo ao Afrika sy eny anivon'ny am-pielezana hitakiana fanonerana ireo ratsy vitan'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany
Ny fitakiana fanonerana dia tsy andrana famerenana hanoratra ny tantara na fanohizana ny kiboriborin'ny fahatsapantena ho niharam-pahavoazana. Antso io hanekena ny marina tsy azo lavina sy hamerenana manoratra ny tsy nety
Efatra mpitarika fanovàna miady amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na vavy ao Afrika sy India
Ny "Intimate partner violence (IPV)" sy ny "non-partner sexual violence(NPSV)", ireo no endrika roa be mpahafantatra amin'ny herisetra iainan'ny vehivavy.
Andry Rajoelina voafidy indray ho filoha ao Madagasikara, sangy toherin'ny mpanohitra ny maha-ara-dalàna ny zotram-pifidianana
Andry Rajoelina, 49 taona, voafidy indray hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny fepotoam-pitondràna haharitra 5 taona, taorian'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 16 Novambra izay nanaovan'ireo mpirotsaka avy amin'ny fanoherana ankivy
Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024
Tsy mifaninana ho filoham-pirenena ao Sénégal intsony i Ousmane Sonko, kandidà voalohany an'ny mpanohitra, saingy nanondro an'i Bassirou Diomaye Faye, sekreteran'ny antokony ho kandidà.
Cop 28, nanambara ny fametrahana tahirimbola heverina hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo ao anatin'ny ady hanoherana ny fiovaovan'ny toetrandro
Nambaran'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Toetrandro (Cop28) ny fampandehanana ilay tahirimbola ho an'ny fatiantoka sy ny fanonerana natao hanonerana ireo firenena avy amin'ny ilabolantany atsimo tena marefo manoloana ny fiovàn'ny toetrandro. Ankoatra ireo fanambaràna, midika inona ireo tarehimarika?
Amin'ny 2024, hihovitrovitra miaraka amin'ny CAN andiany faha-34 i Afrika
Amin'ny Janoary 2024, ny mason'ny tontolon'ny baolina kitra erantany dia hitodika any Côte d'Ivoire, firenena mpampiantrano ny CAN, fifaninanana goavana indrindra ho an'ilay tanibe