Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jona, 2014
Aoka Izay Ny Fampiasàna Ny Fitomboana Ho Fialan-tsiny Handotoana, Hoy Ireo Afrikana Mafana Fo
Ny vokatry ny Andro Maneran-tany 2014 ho an'ny Tontolo iainana ao Afrika: Tsy mamela ireo firenena hiaro ny tany ny filàna ny fitomboana eo amin'ny tanibe, hoy ireo Afrikana mpisolo vava.
Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika
Noho ny ady ara-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny tambajotram-pahitalavitra, dia mety hisy ny mpanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany eto Afrika no hosahirana amin'ny fanarahana azy.
Ankilan'ny Mondialy : Hetsi-Panoherana Any Brezila, Mpanoratra Migadra Any Kamerona
Mba mila mahafantatra zavatra mihoatra noho ny Baolina kosa ianao hahatakarana bebe kokoa ny Fiadiana ny Amboara Manerantany. Ataon'i Deji Olukotun mifanindran-dalana eto ny resaka hametrahana ho zava-dehibe ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona.
Ankizy Malagasy 44 000 No Mamoy Ny Ainy Isan-taona Noho Ny Tsy Fahampian'ny Fitsaboana. Ahoana No Hanafoanana Izany?
Ankizy 44 000 no mamoy ny ainy isan-taona eto Madagasikara (tarehimarika tamin'ny taona 2012). Eo amin'ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, vondrona roa no tena marefo eto Madagasikara: ireo ankizy latsaky ny dimy taona sy ireo vehivavy mitondra vohoka.
Resabola No Mahatonga An'i Kamerona Tsy Te-Hilalao Ny Fiadiana Ho Tompondaka Manerantany
Nandà tsy hiala tao amin'ny hotely misy azy ireo ny ekipa "Lions Indomptables" raha tsy naloa tamin'izy ireo ny Vola tambin-karama amin'ny Fiadiana ho Tompondaka Manerantany izay nomen'ny FIFA hoan'ny mpandray anjara tsirairay ao amin'ny firenena.
VIDEO: Nalaza Haingana Dia Haingana Ny Nanafangaroan'ny Minisitra Zambiana An'i Barack Obama Amin'ny Boko Haram
Niboredika i Nkandu Luo nandritra ny diabem-piraisankina amin'ireo zazavavy manakaiky ny 300 nalain'ny vondrona islamista tao Nizeria an-keriny.
Miantso Anao Hamàrana Ny Fitsaratsaram-poana Miendrika Fanavahana Any Anaty Media ity Manampahaizana Santomeana ity
I Grada Kilomba, manam-pahaizana manokana ny amin'ny fandalinana ny resaka fiaviana ao amin'ny Oniversiten'i Humboldt , any Berlin, miresaka ny hoe ahoana ny tokony hataon'ireo haino aman-jery izay manampy amin'ny fanamafisana ny hevitra raiki-tampisaka momba ny fiaviana, mba hanamboarany indray doko amin'ny lafiny tsara.
Tovolahy Mpianatra Teratany Zambiana Nahazo Sertifika Avy Amin'ny Microsoft
Nahababo ny fon'ny tontolon'ny teknolojia vaovao (TIC) ilay zatovolahy Zambiana fiaviana rehefa tafiditra ho Microsoft Technology Associates (MTA) tanora indrindra tao Eoropa.
Rwanda: Triatra Atahorana Ny Mariboninahitr'i Paul Kagame
[...] Niala amin'ny naha-firenena nisolelafan'ny tandrefana azy, efa miha-lasa tsy azo ifaneraserana ankehitriny i Rwanda ary mihamaro ny fanafoanana ireo fanampiana ara-tafika sy ho an'ny fampandrosoana [...]