· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2017

Sodàna: Ho Avy Ny Revolisionam-bahoaka?

  30 Mey 2017

Taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka tao Tonizia sy Ejypta, nisafidy ny datin'ny 30 Janoary 2011 ny vondrona mpikatroka Sodaney mba hanomboka ny fihetsiketsehana milamina ho fanonganana an'i Omar al-Bashir sy ny governemantany.

RDC: Nitombo Isa Ny Taranaka Rajako Virunga

  30 Mey 2017

Ny Talata, 27 Janoary 2009, namoaka fanambarana an-gazety ny manampahefan'ny Valan-javaboahary Virunga ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo izay milaza fa nitombo 12.5% ny rajako an-tendrombohitra mahalala baiko na zatra olona ao amin'ny Valan-javaboahary ...

Sodàna: Halabato Voarakitra Anaty Lahatsary?

  25 Mey 2017

Misy lahatsary iray ety anaty aterineto mampiseho hala-batom-pifidianana tao Sodàna. Nahiliky ny Kaomitim-Pifidianana Sodaney ny fiheverena hoe nisy ny hosoka tamin'ny fifidianana. Asehon'ilay lahatsary ireo manampahefana manesika vatom-pifidianana ao anaty vata. Ambaran'ireo vondron'ny mpanohitra fa porofoin'ilay lahatsary ny fiampangàna nataon-dry zareo momba ny fisian'ny hosoka nataon'ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Antokon'ny Kaongresy Nasionaly (NCP)

Nizera: Manavotra Aina Amin'ny Someso

  24 Mey 2017

Nisedra olana ara-tsakafo i Nizera, izay nananontanona ny antsasak'ireo vahoaka 14 tapitrisa monina ao amin'ny firenena. Niantso fanampiana maika tamin'ny sehatra iraisampirenena noho ny maha-olombelona ny Firenena Mikambana. Bilaogera iray ao amin'ny Concern US blogs, Amanda McClelland, no mitatitra momba ny fandarahanasa iray hampiasàna ny someso mba hanapariahana vola maika ho an'ireo vehivavy marefo indrindra any amin'ireo vohitra 160 ao amin'ny firenena