Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2018

30 Avrily 2018

Feo avy any Zimbaboe-2

Lasa sehatra ho an'ny fipoahan'ny fankahalàna vehivavy voakiana be, izay niseho tao amin'ny parlemantan'i Zimbaboe tamin'ny herinandro lasa teo, ilay adihevitra manodidina ny lalàna vaovao, dia ny Volavolandalàna mikasika ny Herisetra an-Tokatrano izany.

Zimbaboe: Mampahafantatra Ilay Hetsipanoheran'ny Sendikà ny DVD Iray Navoaka An-tsokosoko

Zon'olombelona an-tsary

Nodarohan'ny mpitandro filaminana imbetsaka ireo mpanao fihetsiketsehana, izay nitaky ny famatsiana ARV (fanafody miady amin'ny virosy mivadika) ho fitsaboana ny VIH sy ny fisian'ny karama farany ambany indrindra ary ny fanamarinan-toerana ny vidin'ny entam-barotra fototra sasany.

Liberiàna Mpanao Gazety, Nosamborina , Voakapoky ny Fitakiana 1,8 Tapitrisa Dolara Amerikana Tao Anatin'ny Disadisa Pôlitika

GV Mpisolovava

Herinandro vitsy monja taorian'ny nitateran'ny FPA ilay tantara ratsin'ny LEITI, voakiana noho ilay raharaham-pitsaràna sivily ilay gazety, nahatonga ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahan'ny gazety hino fa lasibatra noho ny tatitra nataony nanakianana ny governemanta ny FPA.

28 Avrily 2018

Tafika Senegaly: Mampiseho rentirenty ety anoloana, fahoriana kosa any ambadika 

Ao anatin'ny hatsikany mivantambantana , manasongadina ny tantara mahatsikaiky momba ny maritranon'ny foiben'ny tafika ao Senegal ny Blog Politique du Senegal  mba hijerena lavidavitra kokoa mikasika ny laharam-pahamehana sy ny tetibolan'ny tafika :

27 Avrily 2018

Nakarin'ny fitondrana ao Angola fitsarana indray ilay mpanao gazety, Rafael Marques, nanao fanadihadiana momba ny kolikoly

GV Mpisolovava

Mpanao gazety malaza amin'ny famoahana momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny varotra diamondra i Marques , tsy izy ihany anefa no kendren'ny fitondrana Angoley.

26 Avrily 2018

Tonga Saina amin'ny Tokony Hifehezany ny Fitomboan'ny Mponiny ireo Firenena Afrikàna

Amin'ny 2050, ny mponin'ny tanibe Afrikàna irery ihany no hitombo avo roa heny.

Rising Voices Any Sierra Leone Sy Bangladesh

Tamin'ity herinandro ity, dia nasongadinay ny fivoaran'ny roa amin'ireo tohanan'ny Rising Voices any Azia sy Afrika. Mpianatra asa ao amin'ny Think Build Change Salone any Siera Leone no manomboka manoratra ireo traikefany raha toa ka mifantoka amin'ny fanampiana lahatsary sy sary ao amin'ny kitapon'ny fahaizamanaony kosa ireo vehivavy ao amin'ny...

Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika

"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"

Sary avy any Maorisy: mariazy sambatra

(Tamin'ny 10 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy) Annoella sy Sebastien tamin'ny andro mariazin'izy ireo. Avy amin'i Sebastien Merion Tany Nouvelle-Calédonie i Annoella sy Sebastien no nihaona. Avy any Maorisy i Annoella ary avy any amin'ny tanàndehiben'i Frantsa i Sebastien sy nonina ary namahana bilaogy momba an'i Nouvelle-Calédonie...

24 Avrily 2018

Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 16-22 avrily 2018?

Nandritra ny herinandron'ny 16 ka hatramin'ny 22 Febroary 2018, ny momba an'i Taiwan no tantara malaza indrindra tao amin'ny tranonkala amin'ny teny Indoneziana. Ary ny an'ny tranonkala amin'ny teny Poloney ? Ny tantara iray momba an'i Meksika.