AfrikElles, media tôgôley mametraka ny vehivavy afrikàna ho ivon'ny matoandahatsorany

Ampahany amin'ireo mpiasa ao amin'ilay media tôgôley AfrikElles, Eugénie Gadedjisso Tossou eo afovoany ; Saripika an'ny AfrikElles, nahazoana alàlana

Any anatin'ny famokarana votoatim-baovao ao amin'ny tanibe dia matetika no adino ny vehivavy afrikàna na eo aza ny fandraisana anjara goavan'izy ireny amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Ao Togo, hatramin'ny 2021 ny toeran'ny vehivavy sy ny andavanandrom-piainany no notantarain'ilay media mampiasa ny fiteny frantsay, AfrikElles, izay manao izany ho ny tena lohahevitra fototra voiziny ao anatin'ny matoandahatsorany. Lohahevitra marobe no velabelarin'ilay gazetiboky an-tambajotra: ny zon'ny vehivavy, ny zo ara-pananahana sy amin'ny fiterahana, ny traikefa iainany anivon'ny fiarahamonina, ary ireo vehivavy manangana ny orinasan-dry zareo manokana.

Tamin'ny alàlan'ny Whatsapp, ny Global Voices dia nitafa tamin'i Eugénie Gadedjisso Tossou, mpanorina ilay tranonkala, mba hanakarana ny antony nanosika azy, sy izay fanamby ary fahombiazana nolalovan'ny AfrikElles.

Jean Sovon (JS) : Avy aiza ny eritreritra hanangana ny AfrikElles?

Eugénie Gadedjisso Tossou (EGT) : Ny AfrikElles dia gazetiboky an-tambajotra teraka avy amin'ny fanirian'ny tanora tôgôley hamokatra tsara kokoa ny haino-vaky-jery. Tsikaritray any anatin'ireo media eto aminay fa tsy dia omena toerana loatra ny resaka momba ny vehivavy. Matetika dia mandritra ireo andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny vehivavy ihany ireo gazety an-tambajotra sy voasoratra an-taratasy no mba mamoaka lahatsoratra, kanefa dia misy zava-maharary marobe ijalian'ireo vehivavy, marobe ireo andraikitra raisin'izy ireny, fahaizamanao sy talenta marobe ananan'izy ireny no mila aseho sy omena lanja. Tsy ekena mihitsy ny hamelàna ampahany iray lehibe amin'ny vahoaka eto an-tany ho mangingiana any. Araka izany, tsikaritray fa amin'ny maha-mpanao gazety, omentsika vàhana bebe kokoa ny feon'ireo lehilahy manampahaizana manokana miohatra amin'ireo vehivavy manampahaizana kanefa dia ananan'izy ireny ihany koa ny fahaizamanao sy ny fahaizana-mandinika.

Izany no nanosika anay tamin'ny 18 May 2021 hanomboka ny AfrikElles mba hanentsenana ny banga misy ety anaty aterineto momba ny resaka vehivavy, indrindra fa aty Togo sy Afrika amin'ny ankapobeny.

Eugénie Gadedjisso Tossou, mpanorina ny  AfrikElles, sary nahazoana alàlana.

JS : Inona avy ireo lohahevitra laharam-pahamehana?

EGT : Resahanay ao anatin'ny fampahalalam-baovaonay ireo lohahevitra rehetra mifandraika amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy, na ny momba ireo zo amin'ny ankapobeny izany, ny zo ara-pananahana sy fiterahana, ny fandraharahàna, na ny fahitàna ny mombamomba ny olona iray eny ambanin'ireo lohateny “Elle de la semaine”, “Vécus de femmes“, “les opportunités pour les femmes”. (Izin'ny herinandro – Ny traikefan'ny vehivavy – Ireo hirika ho an'ny vehivavy). Omena fahafahana ny ho hita ihany koa ireo hetsika ataona andrimpanjakana, fikambanana iraisampirenena na nasiônaly, ireo fikambanana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena.

JS : Toerana manao ahoana no misy anareo any anatin'ny tontolon'ny haino-vaky-jery tôgôley? Tsy misy afa-tsy vehivavy ve no mandrafitra ny ekipanareo? 

EGT : Media tena mbola zandriny kely izahay, saingy tao anatin'ny efa ho telo taona nijoroanay dia voaporofonay fa azo atao ny manao ny asa fanaovana gazety an-tranonkala amin'ny fomba hafa, tsy mionona fotsiny amin'ny fanoratana lahatsoratra, fa ampiana feo sy lahatsary. Araka izany dia mamokatra podcasts izahay ary afaka mijery lahatsary fohy ianareo any anatin'ireo asa famokaranay. Manao antontan-kevitra momba ireo lohahevitra tena manandanja izahay. Eken'ny Haute autorité de l’audiovisuel et de la communication (HAAC) ny fisianay ary izahay koa dia mpikambana mpiara-manorina ny Association des femmes professionnelles de média (AFPM) izay najoro tamin'ny 5 Aprily 2023.

Vehivavy ny 80% mandrafitra ny ekipanay. Amin'ny maha-vehivavy dia takatray kokoa ny fahasahiranan'ireo vehivavy amin'ny sehatra misy anay ary manolotra tontolon'asa malefaka izahay mba hahafahan'ireo vehivavy mpiara-miasa handrindra tsara ny fiainan-dry zareo.

JS : Inona avy ireo fanamby atrehanareo?

EGT : Ny tena fanamby goavana ho anay, dia ny hahafahana mitondra ireo vehivavy amin'ny fanehoana malalaka ny heviny miohatra amin'ny fahasahiranany, ny tetikasany ary ireo santatr'andraikitra ataon-dry zareo. Ny tsikaritray eny an-kianja, tianay ny hampiroborobo ny vehivavy, saingy ry zareo tsy vonona ny handray andraikitra, tsy vonona ny hiseho. Atahoran-dry zareo sao  hitodika any amin-dry zareo ny hazavana sy ireo jirobe, ary tsy manamora ny raharaha izany.

Efa nisy ireo toejavatra niainanay izay nandanianay fotoana ny nanoratra lahatsoratra iray, nanangona sy nanamarina ny vaovao rehetra azo raisina, saingy tamin'ny fotoana farany, fandàvana no nasetrin'ireo vehivavy anay, “mieritreritra aho hoe tsy tokony havoaka aloha, tsy maintsy miandry satria fanirian'ny vadiko ny hiandry, na izao, izaho mihitsy no mihevitra hoe tsy mbola fotoanany izao”. Araka izany, amin'ny ankapobeny, ny tena fanamby goavana dia ny fahatratrarana ny fahafahan'ireo vehivavy hiantsoroka ny fahitàna azy ireo, sy ny hoe izy ireo mihitsy no afaka miteny ny olany.

JS : Ny toejavatra misy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra sy ny asa fanaovana gazety ve mamela anareo hiresaka tsara kokoa ireo lohahevitra manandanja mibahana ao am-ponareo? 

EGT : Tsaroaka ny vanimpotoana iray nisavorovoro teo amin'ny fiainan'ny asa fanaovana gazety, nisy namana iray nampahafantatra anay hoe izahay ambiny dia tsy manan-javatra atahorana satria tsy miresaka afa-tsy momba ny vehivavy any anatin'ny fampahalalam-baovaonay. Nitsiky ao. Mety ho marina ny azy, fa raha ny tena zavamisy, misy ireo lohahevitra kitihanay no mahatezitra olona maro. Tsy ireo mpanao  pôlitika ihany no manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra. Misy ireo olona, noho ny antona samihafa, maniry ny tsy hikitikitihana lohahevitra sasantsasany. Indraindray ny hafa tonga hatrany amin'ny fitenenana aminay hoe manao izay hitroaran'ny vehivavy izahay, manentana ireo vehivavy hiakatra ambonin'ny vadiny… Toedraharaha indraindray mahatonga anay hamadibadika im-pito alohan'ny handraisana lohahevitra sasantsasany.

JS : Inona avy ny fahombiazana efa hita hatramin'ny nahaterahany? Ny faminavinanareo ny hoavy ?

EGT : Tao anatin'ny telo taona nodiavina, maripankasitrahana roa no azonay. Tamin'ny 2021, azonay ny loka manokana fandrisihana ny asa fanaovan-gazety ho an'ny vehivavy ; loka nomen'ny fanjakàna tôgôley, ny Fiombonambe Eorôpeàna, ny masoivohon'i Frantsa, Alemaina ary Etazonia eto Togo. Ny farany, tamin'ny 2023, ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana momba ny Herisetra mifototra amin'ny Maha-Lahy na Vavy natolotry ny  Care International Bénin/Togo. Fahombiazana manome hery anay amin'ny asanay ary manosika anay hanao tsaratsara kokoa.

Tamin'ny taona lasa dia natombokay ny tetikasa iray antsoina hoe “Femmes En Ecojogging“. Hetsika iray nahafahanay nanatona ireo vehiavy mpivarotra izay tsy voatery hanana fahafahana hampiasa aterineto mba hamaky anay. Ny ‘Femmes En Ecojogging’, araka izany, dia ahafahan'ireo vehivavy, sady manao fanatanjahantena, no manangona ireo fako plastika. Kaominina efatra no notetezinay: Golfe 1, ao Lomé ( renivohitrn'i Togo); Kozah 1, ao Kara (423 km any avaratr'i Lomé), Tone 1, ao Dapaong ( 650 km any avaratr'i Lomé) ary Bas-mono 1 ao Afagnan (80 km any atsinanan'i Lomé). Mbola mitohy amin'ity taona ity ny tetikasa. Hotohizanay miaraka amin'ireo asa famokarana samihafa ataonay ary handrakotra firenena maromaro kokoa ato anatin'ny zana-paritra izahay.

Efa ho taona efatra izay no nisiany,  vavolombelon'ny fahombiazany sy ny firotsahany an-tsehatra hampiseho endrika iray hafan'ny vehivavy afrikàna ilay gazetiboky, ao anatina tontolo iray tsy dia tsara loatran'ny asa fanaovana gazety. Eny tokoa, raha ny fanomezana laharana avy amin'ny Reporters sans frontières (RSF) tamin'ny 2023, amin'ny resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia mitàna toerana faha-70 i Togo ao anatin'ireo firenena 180. Ankoatra izay, marobe ireo mpanao gazety mitohy miatrika fisamborana  noho ny lahatsoratra nosoratany tsy mahafaly ireo olona akaiky ny fitondràna.

Vakio:  

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.