Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2019
Akon'ny tontolon'ny bilaogy Kiswahili: Hira, poezia, literatiora, politika (2005)
Mawazo na Mawaidha avy any Kenya manaraka akaiky ny famantarana ireo endrika isan-karazany amin'ny rindrambaiko sy programa solosaina amin'ny teny Swahili. Tamin'ity herinandro ity dia nanoratra sy naneho hevitra fohy mikasika ny fampahafantarana ny programan'ny Windows sy Office amin'ny teny Swahili izy.
Ny vehivavy afrikanina manoloana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy
Andro iraisam-pirenena ho amin'ny fanafoanana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ny 25 novambra ary manamarika ny fiandohan'ny 16 andro hikatrohana anoherana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy sy ny ankizy ,mandritra izany no nananganan'ny vehivavy sy ny fikambanany hetsika manerana izao tontolo izao mba hampitsahatra ny herisetra amin'ny vehivavy.
Bilaogin'ny vehivavy Afrikanina: ny zon'ny vehivavy, herimpom-behivavy, fiovam-pinoana, …
Ny fahantrana, ny fitantanana tsy mahomby amin'ny toekarena, ny tsy fitoniana ara-politika sy ny ady no zava-misy tsy mitsaha-mitombo any Afrika na dia manana harena an-kibon'ny tany marobe aza ny kaontinanta, hoy i Keeper of her thoughts nanoratra.
Feo avy amin'ny Tandrok'i Afrika (Etiopia) sy Sodàna: ny asan'ny vokovoko mena, ny fitongilanan'ny Tandrefana, ny tondron-kolikoly
Manomboka ao Darfur ary miaraka amin'ny vaovao tsara ny fijerinay izay lazain'ireo bilaogera ao amin'ny Tandrokin'ny kaontinanta Afrikana sy Sodana. Sleepless in Sudan mitatitra fa nesorina ny fandraràna ny fifamoivoizana ara-barotra any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana antsoina hoe Kalma.
Bilaogy Nizeriana: ny E-varotra, Nollywood…
Kazey Journal nametraka fanontaniana manan-danja momba ny fampandrosoana ara-teknolojika ao Nizeria. Manontany izy hoe "Afaka mividy Solosaina ve ny Nizeriana iray?"
Feo avy ao Zimbaboe miampy firenena 3 hafa (2005)
Tongasoa eto amin'ny fizarana fanokafana ny "Feo avy amin'ny Zimbaboe miampy 3" izay antenaiko fa hahita vavao avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikanina maromaro ianao.
Fampahafantarana avy amin'ny bilaogy nizeriana (2005)
Miresaka ny lahatsoratra vao haingana 419 (hosoka) izay nivezivezy nanerana ny tontolon'ny bilaogy sy ny fampitam-baovo antserasera ny LAHATSORATRA TAMIN'NY HERINANDRO avy amin'i Naija Jams.
Fitokonana tampoka – Mosary tsy afaka dia handray fifaninanana afrikana no mahamaika
Nanao fihetsiketsehana tampoka tany amin'ireo tanàna lehibe tao Zimbabwe tamin'ny Sabotsy ny firaisan'ny vondrona sivika mpanohitra, ny Antenimieram-pirenen'ny Lalàmpanorenena (NCA amin'ny teny Anglisy). Mitatitra ny This is Zimbabwe, bilaogy nomanin'ny vondrona mpanao fihetsiketsehana Sokwanele / Zvakwana fa olona 18 no nosamborin'ny polisy mahery setran'i Zimbaboe, izay tsy nampoizina tamin'ny fihetsiketsehana.
Ny bilaogin'ny vehivavy Afrikana – nov 2005
Nanoratra i Bronwyn mba hilaza fa nahita fitiavana vaovao - fiara haingam-pandeha - izay mahagaga azy satria iray tamin'ireo olona izay nieritreritra izy fa nankaleo ny mijery fiara mihodinkodina mandritra ny ora maro saingy mahita izy ankehitriny fa mampientanentana ny fifaninanana mitondra fiara.
Ny malaza tamin'ny tontolon'ny bilaogy Kiswahili herinandron'ny novambra 2005
Tahaka ny hoe noresahan'ireo bilaogera Tanzaniana nandritra ny fotoana naharitra ny fifidianana filoham-pirenena mampiadi-hevitra ao Zanzibar. Miresaka momba ireo tatitra nataon'ireo mpanaramaso ny fifidianana momba ny fifidianana ny 20 Oktobra i Kasri la Mwanazuo, Tanzaniana mpampianatra Kiswahili sady mpanao gazety monina any Texas.