Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2020

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Novambra, 2020

Anisan'ny firenena milefitra indrindra amin'ny fahapelahana aty Afrika i Cap Vert sy i Mozambika

Natao tamin'ny 1 Martsa 2016 nanomboka tao an-tanàndehiben'i Maputo, ny fanadihadiana Afrobarometatra mampiseho ny "Fandeferana aty Afrika" ny fanambarana ireo tondron'ny fandeferana aty Afrika. Mozambika sy Cap Vert no anisan'ny firenena mandefitra indrindra.

2020 no taona ratsy indrindra ho an'ny mpanoratra an-gazety ao Kenya

Hatramin'ny nipongaran'ny coronavirus vaovao tao Kenya tamin'ny volana marsa, mihoatra ny 47 ny trangam-pisamborana tondromolotra, fanafihana sy fanohintohinana nihatra tamin'ny blaogera, mpikatroka anjotra ary mpiaro ny zon'olombelona.

Manao antso avo amin'ireo mpankafy azy mba hanome fanampiana hitsaboana ny fivontosana amin'ny atidohany ilay mpanakanto hip-hop Mozambikana Azagaia

Nahazo mpankafy noho ny fanoherany ireo mpitondra sy ny firesahany ny olana ara-tsosialy tamin'ny mozikany i Edson da Luz , fantatra amin'ny anarana hoe Azagaia.

Manameloka ny fanafihan'ny Boko Haram nandritra ny torimason'ny miaramila ny filohan'i Kamerona

Ny alin'ny vovonana tany Paris hisian'ny filaminana tany Nizeria, niampita nankany Kamerona ny vondrona mitam-piadiana Nizeriana Boko Haram na dia teo aza ny fisian'ny mpitandro ny filaminana marobe.

Famaranana ny herisetra ataon'ny polisy any Nizeria: Fetiben'ny jiro hanomezam-boninahitra ireo maty

Nanapa-kevitra ny hanatanteraka fetiben'ny jiro ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny hetsika #EndSARS ny zoma alina ho fanomezam-boninahitra ireo maherifo namoy ny ainy noho ny herisetra nataon'ny polisy.

Fanakendana ny aterineto, fanakatonana ny SMS andro vitsivitsy mialoha ny fifidianana ao Tanzania

Tao anatin'ny 24 ora monja mialoha androm-pifidianana, nitatitra ireo mpiserasera ao Tanzania sy ireo nosy mizaka tena ampahany ao Zanzibar fa voafetra ny fidirana amin'ny tolotra aterineto, anisan'izany ireo sehatra media sosialy toa ny WhatsApp, Facebook ary Twitter.