· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Marsa, 2019

Raha Toa Ka Mametraka An'i Siria Ao Anatin'ny Lisitra Fotsy, Mbola Sakanan'ny Linkedin Hatrany Kosa Ireo Mampiasa Aterineto Any Sodana!

GV Mpisolovava  17 Marsa 2019

Taorian'ny nanakanan'ny Linkedin, ilay tambajotra sosialin'ny fandraharahàna, ireo mpampiasa Aterineto tany Siria ary avy eo namela azy ireo indray sady niala tsiny (toy ny notaterin'ny ArabCrunch.), voamarina fa mbola tsy afaka miditra amin'ny Linkedin ireo mpampiasa Aterineto any Sodàna (firenena Afrikana Arabo ), izay nosakanan'ny Linkedin efa volana maro lasa izay

Mozambika: Adihevitra mikasika ny fanoratana anarana amin'ny karatra SIM

GV Mpisolovava  12 Marsa 2019

Fotoana fohy taorian'ireo hetsi-panoherana tamin'ny Septambra tany Maputo nokarakaraina tamin'ny alalan'ny SMS, navoakan'ny governemanta Mozambikana ny didy Ministerialy manery ireo mpampiasa finday naloa mialoha tao amin'ireo tambajotra nasionaly roa mba hanoratra ireo karatra SIM-ny ao anatin'ny iray volana. Hetsi-panoherana sy fitaredretra be loatra miohatra amin'izay takian'ilay lalàna no naterak'ilay dingana.