Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Febroary, 2015
Vehivavy Iray Mifanamby Amin'ny Fomba Fijery An'i Somalia Ao Amin'ny Instagram
Te hanitsy ny fomba fijery an'i Somalia i Ugaaso Boocow. Tsy nidina teny an-dalambe na tamin'ny onjam-peo izy fa naleony niditra tao amin'ny Instagram ary vonona ny halaza.
Nohalefahan'ny Governemanta Amerikàna Ny Sazy Mba Hahafahana Manondrana Fitaovam-pifandraisana Ho An'ny Olon-tsotra Ao Sodàna
Namoaka fahazoan-dàlana ankapobeny hahafahana manondrana fitaovana sasantsasany momba ny teknolojiam-pifandraisana ho an'olon-tsotra natao halefa ho any Sodàna ny governemanta Amerikàna
Voampanga Ho Nanararaotra Ireo Mpifindra Monina AFrika Atsimon'i Sahara Ny Mpitandro ny Filaminana Maraokanina
"Nisy fiara fitateram-bahoaka enina niandry anay, nasaina niakatra tao anatin'izany fiara izany izahay. Avy eo, naharitra ora maromaro ny nitondrana anay tany amin'ny tany foana. Tsy fantatray izay toerana nalehanay." Hoy ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny mpifindra monina iray.
‘Sakafo iainako Ny Photoblogging’, Hoy i Edward Echwalu, ilay Ogande Mpakasary
"Indraindray mahakivy antsika ny zavatra tsy dia misy dikany. Aza ampirimina ny fitaovanao; misy olona any miandry ny avy any an'eritreritrao. Tohizo hatrany."
Tondra-dranon'ny Tapa-Taonjato — Nefa Mety Mbola Tsy Henonao Mihitsy
Efa namindra olona manakaiky 200.000 ao Malawi ny tondra-drano, namotika ny vokatra ary nitondra ahiahy amin'ny mety isian'ny aretina. Ao amin'ny faritra mora tratran'ny tondra-drano, mbola mety ho ratsy kokoa ny hoavy.
Fancy Galada Avy Ao Capetown, Mihira Ho Fahasitranan'ny Tenany Sy Ny Hafa
Tsy maintsy nitombana ho lehibe haingana i Fancy Galada dieny tany amin'ny faha-10 taonany, nikarakara ireo anadahy sy rahavaviny. Ary indraindray, dia nisedra fijaliana ny fahazazàny. Mihira izy mba ho sitrana amin'ireny fahatsiarovana mangidy ireny.
Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanitsiana ny lalam-pifidianana nataon'i Kabila izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 36 tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay.
Angona Momba Ny Ebola: Alahatry Ny Fikambanan'ny Bilaogera Ao Guinée Amin'ny An'ny Governemanta Ny Azy Ireo
"Ho any ady atao amin'ilay valanaretina, mazava fa kitsapatsapa ny fomba iatrehan'ny manampahefana azy, ary hatrany amboalohany no tsy nahomby ny fampitàm-baovao."
Tonga ao Amin'ny Tambajotra Sosialy Ny Tazon'ny Ekipam-Pirenen'i Ginea Any Amin'ny CAN2015
Ary ny malaza amin'izao fotoana dia ny mandefa selfie ahitana kojakojan'i Sily iray (fanamiana, haba, satroka, sns.) ao amin'ny Facebook; Instagram na Twitter.