Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2020
Na inon-kidona, na inon-kihatra, isisihan'i Alpha Condé ny tsy maintsy hahazoana fepotoam-piasàna fanintelony
Nahavita naka fepotoam-pitondrana fanintelony indray ny filoha gineàna Alpha Condé rehefa nanao an-tery ny fanitsiana lalampanorenana, fandresena azony tamin'ny fifidianana nokianin'ny mpanohitra sy ireo fikambanana iraisampirenena mafy tokoa
Governemanta afrikana fito no mampiasa rindram-pitsikilovana, hoy ny fanadihadiana vaovao
Mampiasa teknolojiam-pitsikilovana avy amin'ny Circles, orinasa iray mivondrona ao amin'ny NSO avy ao Israely, ny governemanta amin'ny firenena miisa fito avy eto Afrika -- Botswana, Ginea Ekoatorialy, Kenya, Maraoka, Nizeria, Zambia, ary Zimbabwe -- araka ny nataon'ny Citizen Lab.
Naverin'ny filohan'i Mozambika tany amin'ny parlemantera ny lalànan'ny fizarana tombontsoa ho an'ny mpitondra teo aloha
Tonga mpandresy lehibe indrindra tao anatin'ny dingana ny olom-pirenena ao Mozambika. Na eo aza izany, antenaina ny fandinihana vaovao momba ireo lalàna naverina tany amin'ny Antenimieran'ny Repoblika ireo, azo lazaina fa ny tolona ihany no nahazoana fandresena teto fa tsy ny ady.
Nampiantrano ny sehatra fifanakalozan-dresaka voalohany tao amin'ny tambajotra sosialy i Mozambika
Dinidinika tao amin'ny tambajotra sosialy voalohany tany Mozambika. Niadian-kevitra ny fomba samihafa hijeren'ny firenena ny fivoaran'ny teknolojia ao anatin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanan'ny tanora ity hetsika ity.