Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Aogositra, 2019

29 Aogositra 2019

Jean-Jacques Muyembe-Tamfum: ilay siantifika kôngôley nahita ny fitsaboana Ebola

Nahita ny fitsaboana Ebola ity Afrikana siantifika ity. Moa ve hozaraina betsaka tahaka ny vaovaon'ilay aretina ve ny anarany?

28 Aogositra 2019

Mialoha fifidianana ao Mozambika, niadian-kevitra ny “vaovao faikany” sy ny loza aterany

Tsy voaresaka firy any Mozambika ny olan'ny vaovao faikany sy ny fanodikodinam-baovao mandritra ny fifidianana.

23 Aogositra 2019

Mandràra ny harona plastika i Tanzania, namorona klioba 300 mitaiza tanora hiaro tontolo iainana ireo mpikatroka ao Dar es Salaam

Ampianarin'ireto mpikatroka ireto ny tanora ao Dar es Sallam ny maha-zavadehibe ny fitahirizana ny natiora sy ny loza mitatao aterak'ireo harona plastika tsy afaka ampiasaina afa-tsy indray mandeha monja.

22 Aogositra 2019

Sambany hiditra ao amin'ny NBA ny Angoley iray mpilalao basikety

Hanatevina laharana ny ekipa Philadelphia 76ers i Bruno Fernando, 21 taona.

18 Aogositra 2019

Taratasim-pifandraisana DigiGlot : mahita toerana any anatin'ireo sehatra tsy mitsahatra fandefasana mozika ny rock ao Galles

Rising Voices

Ny taratasim-pifandraisan'ny DigiGlot avy amin'ny Rising Voices dia manome topimaso momba ireo hetsika santatra, adihevitra sy fivoaran'ny fifanenàn'ny fiteny sy ny teknolojia manerana izao tontolo izao

Iza ireo kandidà filoham-pirenena any Mozambika amin'ny fifidianana volana Oktobra?

Tamin'ny 31 Jolay, kandida miisa efatra no neken'ny Filankevitry ny Lalàm-panorenana ao Mozambika: Filipe Nyusi, Ossufo Momade, Daviz Simango ary Mário Albino.

15 Aogositra 2019

Tanzaniana mpanora-baovao miatrika fiampangana foroporonina rehefa nalaina an-keriny sy nohazonina

GV Mpisolovava

Nanoratra tsikera amin'ny fitantanan-draharaha mamoritra entin'ny filoha tanzaniana John Magufuli ilay mpanora-baovao mahaleotena Erick Kabendera. Omaly ny manampahefana niampanga azy amin'ny heloka ara-toekarena, saingy nilaza ny mpitsikera fa fanoratam-baovao ihany no hany "helony".

12 Aogositra 2019

Mandrahona ny hanakana an'ireo karatra SIM tsy fanta-tompo ny mpandrindra fifandraisandavitra ao Mozambika

Ny 28 Jona 2019, ao anatin'ny 10 andro no amelan'ny Tomponandraikitry ny Fifandraisana ao Mozambika an'ireo mpandraharaha mba hanaovana ho ara-dalàna ny momba an'ireo rehetra mpampiasa azy ireo.

09 Aogositra 2019

Mampifandray ireo mpampianatra 5.000 amin'ireo mpianatra ao anatin'ny sehatra antserasera vaovao ireo mpikaroka momba ny teknolojia ao Tanzania

Manova ny tontolon'ny fianarana any Tanzania ny Smartclass, sehatra antserasera vaovao mampifandray ireo mpampianatra amin'ny mpianatra amin'ny sokajin-taona rehetra.

06 Aogositra 2019

Sokajian'i Mozambika ho heloka bevava ny fampanambadiana ankizy

Araka ny voalazan'ny fanadihadiana iray, i Mozambika no firenena faha 11 erantany manana taha ambony be amin'ny fampanambadiana ankizy.