Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Marsa, 2018
Liberia : Tetikasa “CeaseFire Liberia” Mitantara Ny Krizy Ao Lofa

Nahitàna herisetra indray tao Liberia vao haingana: tovovavy iray no nisy namono, ho valifatin'izany, 4 hafa ihany koa nisy namono tahaka izany tao amin'ny faritra Lofa ao avaratry ny firenena. Nandritra ny korontana, nisy nandoro ireo fiangonana sy ny moskea. Nitantara momba izany korontana izany ny Global Voices.
Inona Avy No Nahaliana Ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 19 Feb – 25 Feb ?
Nandritra ny herinandron'ny 19-25 Febroary 2018, nahasarika mpamaky marobe avy amin'ireo firenena maro manerana izao tontolo izao ireo tantara sy fandikana nataonay. Ny nomerao 31 ao amin'ny lisitra? Makedonia. Ary ny nomerao 191? Kaomoro.
Libanona: Olona Miisa 90 No Voalaza Fa Maty Tamin'ny Fianjeran'Ilay Fiaramanidina Ethiopian Airlines Tany An-dranomasina
Niraradraraka tao amin'ny Twitter ny teny fampiononana taorian'ny nianjeran'ilay fiaramanidina Ethiopian Airlines tany amin'ny faritr'i Mediteranea minitra vitsy taorian'ny nialany tany Beirota, Libanona. Voalaza fa maty avokoa ireo olona miisa 90 tao anatiny rehefa nirehitra nandritra ny kotro-baratra ilay fiaramanidina ka nianjera tany an-dranomasina.
Mitoka-Monina i Joseph Kabila Noho ny Fitarazohan'ny Fanomanana Fifidianana Taona 2018
Fotoana fanararaotra io fivoriana maharitra telo andro io ho an'ny mpanohitra hanehoana ny fanohanany ny fikarakarana fifidianana « azo inoana sy mangarahara »
Hosoka , Fandrahonana ary Famoretana : Tsy Hita Tabilao ny Fifidianana ao Repoblika Demaokratikan'i Congo
Hiankinan'ny ain-dehibe ireo volana ho avy ireo. Hanaja ny tetiandrom-pifidianana napetraka ve i Kabila ?
Voatsikera ho Manao “Fanavakavaham-bolonkoditra” Tamin'ny Fanasongadinana Tava Mainty ny Fahitalavi-Panjakana Shinoa
Voalohany nijereko ny fampisehoana taombaovao shinoa tamin'ny CCTV ary dia navoakan-dry zareo avy any vehivavy shinoa nolokoina mainty ny tavany... miaraka amin'ny "gidro" zatra fonenan'olona (nolalaovin'ny lehilahy iray avy any Côte d'Ivoire)...
Kenya: Maneho Hevitra Momba Ny WikiLeaks Ny Bilaogera
Niavaka tamin'ny fanambarana fohy sy henjana mamely ny Ambasadaoro amerikana Michael E.Ranneberger ao Kenya noho ny telegrama WikiLeaks andiany farany avy amin'ny Masoivoho Amerikana ao Nairobi ny lahateny nataon'ny mpitarika, anisan'izany ny filoha Kenyana Mwai Kibaki, ny praiminisitra Raila Odinga sy ny filoha lefitra Kalonzo Musyoka ao amin'ny governemanta iaraha-mitantana.
“Afrika sy ny Tononkalom-baovao”: Nanao Karajia Twitter Ho An'ny Tononkalo Manerantany Ny Global Voices
Ho fankalazana ny Andro Manerantany ho an'ny Tononkalo ny 21 Martsa 2018, hampiantrano fifanakalozan-kevitra ao amin'ny Twitter momba ny lohahevitra "Afrika sy Tononkalom-baovao" ny ekipan'ny Global Voices atsimon'i Sahara.
Inona No Novakian'ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 12-18 Marsa?
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 208 ny tantaranay sy ny fandikanteninay!
Mitaky Ny Fialàn'ilay Depiote Naneho Hevitra Manohana Ny Herisetra An-tokantrano Ny Ogandey
“Amin'ny maha lehilahy, mila manitsy ny vadinao ianao," hoy ilay solombavambahoaka Ogandey Onesimus Twinamasiko nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra.