Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Aogositra, 2009

Mauritanie: Vanim-potoana vaovao ve?

  20 Aogositra 2009

Taorian'ny fanonganam-panjakana herintaona lasa izay, sy ny nahavoafidy ny mpitarika io fanonganam-panjakana io Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenena, ary ny voalohany sady farany nipoahana baomba nahafaty tao amin'ny firenena ny fiandohan'ny volana aogositra, dia nisy fiovana be tany Mauritanie. Ny 12 aogositra lasa teo dia nampitsahatra ny fandaharan'asany...

Tohin

Mpitoraka bilaogin'ny herinandro: Haute Haiku avy any Kenya

  18 Aogositra 2009

Anankiray amin'ireo mpitoraka bilaogy vao vaovaon'ny Global Voices aty amin'ny faritra atsimon'i Sahara i Haute Haiku. Miresaka momba ny vavy tia vavy na lahy tia lahy, ny samy tiana na lahy na vavy ary ny miova fitaovam-pananahana (LGBT) ao amin'ny tontolon'ny bilaogy aty Afrika izy, tafiditra am'izany koa ny fifindran'ny...

Angola : Nisy namono ny solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko matanjaka iray

  13 Aogositra 2009

Notairin'ny herisetra indray i Angola ny alin'ny faha-29 volana Jolay lasa teo. Notifirin'ny olona telo lahy tany amin'ny sisin'ny renivohitra Luanda i Beatriz Salucombo, solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko politika mitondra MPLA sy ny anadahiny Antonio Neves, tompon'andraikitra ao amin'ny sampana mikarakara ireo vahiny sy mpifindra monina (SME). Bala maro...

Tohin

Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project’ sy ny diorano

  11 Aogositra 2009

Teo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà...

Tohin

Gabon: Kandidà mampiasa media sosialy amin'ity fifidianana filoham-pirenena manan-tantara ity

  04 Aogositra 2009

Raha eo am-piomanana ny fifidianana voalohany taorian'ny nahafatesan'i Omar Bongo i Gabon dia indro misy kandidà iray miezaka ny mampiditra ny tenany ho ao anatin'ny tantara amin'ny alalan'ny fampiasana ny media sosialy. Nody any Gabon hilatsaka ho fidiana amin'ny maha-kandidà tsy miankina ny mpanao gazety sady talen'ny Institut Edith Stein any Frantsa Atoa Bruno Ben Moubamba. Anisan'ny mpifaninana aminy ny Praiminisitra amin'izao fotoana, Jean Eyeghe Ndong, sy ny zanakalahin'i Bongo. Miezaka ny mampakatra ny haavon-dalao i Moubamba.