Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Oktobra, 2023
Ao Sodàna, gadran'ny fanirian-daza pôlitikan'ireo mpitarika miaramila roa ny vahoaka sivily
Any Sodàna, ny mponina sivily no tery ao anivon'ny fifandonana mitam-piadiana hifanoheran'ireo tafika roa miady ho an'ny fifehezana tanteraka ny firenena
Ireo safidy manadalan'ny vanimpotoana nomerika : mamakivaky eny an'elanelan'ireo ambana mitambesatra zon'olombelona ao anatin'ny fanjakan'ny serasera ao Botswana
Ao anatin'ny vanimpotoan'ny fiovàna nomerika, olana saro-bahàna no atrehan'i Botswana: ny fampanantenana fivoarana mifanjevo amin'ireo ambana goavana momba ny zo fototra maha-olona
Mozika senegaly: mari-pamantarana nasionaly izay miondrana amim-pahombiazana lehibe
Tena nanjakan'ny mozika vahiny, fa ankehitriny ny mozika senegaly dia nahavita naka ny toerany teo amin'ny sehatra nasiônaly, ary avy eo iraisampirenena, manoloana ilay marika nasiônaly any ivelany
Fahafatesana mahatsiravin'i Mohbad : Ny rariny sy fanamelohana no takian'ireo Nizeriàna
Mihoatra ny 260.000 ireo olona nanao sonia ny fanangonantsonia iray ho fandraràna ny Marlian Music, marika fandraketan'ilay mpihira gadona Afrobeats
Fanentanana efatra hanairana ny saina momba ny fahasalaman'ny saina, tarihan'olom-pirenena ao Afrika sy India
Araka ny tatitra 2021 avy amin'ny Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamana, ampahefatry ny olona no tratry ny fikorontanana ara-tsaina na any amin'ny atidoha mandritra ny vanimpotoana iray eo amin'ny fiainany
Polisy Nizeriana voaheloka ho faty noho ny fitifirana mpisolovava bevohoka tamin'ny andro Krismasy
Nizeriana 91 teo ho eo no matin’ny polisy tamin’ny herintaona, araka ny fanadihadiana iray.
Kandidà maro no mifaninana amin'i Andry Rajoelina ho lasa filohan'ny Malagasy
Miatrika ny fanoheran’ireo filoha teo aloha sy ireo kandidà vaovao amin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy hatao amin'ny fiandohan’ny volana novambra i Andry Rajoelina.
Nambara ny fiverenan'ilay Tsadiàna mpanohitra sady kandidà hifaninana amin'ny fifidianana filoham-pirenena: famahavahàna iarahana amin'ilay manampahaizana, Bienvenue Madjilem
Raha voamarina ny fiverenana an-tanindrazana ho an'ilay mpanohitra, Succes Masra, izay hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ao Tchad amin'ny 2024, hitondra fitoniana sôsialy ve izy sa vao mainka hampitombo ny fifanenjànana?
Fandinihana ny olan'ny fiovaovan'ny toetrandro sy tsy fahampian-drano ao Tanzania, ary fikarohana vahaolana mahomby
"Ny vehivavy sy ny ankzy no mizaka ny mavesatra indrindra mitatitra rano. Vokany, mihena ny fahafahan'izy ireny mahazo fampianarana sy fivoaran'ny tena manokana, manidy azy ao anaty kiboriborim-pahantràna"
Voasakantsakana ny fihetsiketsehana manohitra ny filatsahan-kofidian'ny Filoha Andry Rajoelina eto Madagasikara
Afa-mamaritra ny hoavin'i Andry Rajoelina tahaka ny an'i Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2009 ny kianjan'ny 13 mey. Mety hanohintohina ny fifidianana ny krizim-pifidianana.