Tantara mikasika ny Somalia
Fomba fijery avy any an-tandrok'i Afrika
Feno fifanakalozan-kevitra momba ny sehatry ny kolontsaina sy ny politika ny tontolon'ny bilaogy ao amin'ny Tandrok'i Afrika sy Sodàna. Zavatra iraisana, izay toa nipoitra teo amin'ireo bilaogera Etiopiana ny tsy fisian'ny fangorahana ho an'ny governemantan'ny fitondran'ny Praiminisitra Meles Zenawi.
Feo avy amin'ny Tandrok'i Afrika (Etiopia) sy Sodàna: ny asan'ny vokovoko mena, ny fitongilanan'ny Tandrefana, ny tondron-kolikoly
Manomboka ao Darfur ary miaraka amin'ny vaovao tsara ny fijerinay izay lazain'ireo bilaogera ao amin'ny Tandrokin'ny kaontinanta Afrikana sy Sodana. Sleepless in Sudan mitatitra fa nesorina ny fandraràna ny fifamoivoizana ara-barotra any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana antsoina hoe Kalma.
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Somalia: Afaka mahazo asa mendrika ve ireo manao hijab any Etazonia?
Ity no fehy faharoan'ireo bilaogy Somaliana miresaka lohahevitra samihafa toy ny politika Somaliana, ireo fanamby ateraky ny fanaovana hijab ao Etazonia sy ilay vehivavy Somaliana voalohany mpanamory fiaramanidina.
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Fifidianana tao Somaliland
Raha toa ka saika miatrika fahasarotana avokoa ny ankamaroan'ny toerana ao Somalia, i Somaliland kosa dia nahavita tena tsara ary hiatrika ny fifidianana demoktratikany voalohany tsy ho ela.
Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna
I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit - 110 taona lasa izay - tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta.
Oganda: Nahoana no tsy nanoratra mikasika ilay tantara lehibe indrindra an'ny firenena ireo Ogandey blaogera ?
Tamin'ny 5 Martsa, nanao fitokonana ireo ogandey mpitsara sy mpahay lalàna taorian'ny bemidina bataon'ireo mpiaro ny filoha tao amin'ny Fitsarana Avo mba hisamborana indray ireo olona enina noahiahiana ho mpamadika izay navotsotra rehefa avy nandoa onitra