Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2020

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2020

Lahatsary vaovao ahitàna taratra ny anton'ireo fanafihana any avaratr'i Môzambika

Noraketina an-tsary avy tao amin'ny vohitr'i Ntchinga, asehon'ilay lahatsary ireo mpanafika milanja ny sainan'ny fanjakana islamika ary ny mpitarika iray miresaka amin'ny mponina ao an-toerana amin'ny fiteny Kimwan sy Kiswahili, mitangorona toy ny manatrika famoriana vahoaka.

Nanome tolotra aterineto mora ny orinasan'ny finday ao Mozambika sy Cap Vert mba hanentanana ny olona hijanona ao an-trano

Afaka hampiasa angondrakitra 2 MB maimaimpoana mandritra ny 30 andro manaraka ireo mpiseran'ny finday Cap Verdeana raha afaka mividy hatramin'ny 5 GB amin'ny sarany 1.50 dolara kosa ny Mozambikana.

Nilaza ny kintan'ny hazakazaka Kenyana Eliud Kipchoge fa ‘manafintohina saingy mendri-piderana’ ny fanemorana lalao olaimpika 2020

Nanantena ilay "superstar" Olaimpika Eliud Kipchoge fa efa niandry fatratra ny hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika 2020 ao Tokyo izy. Saingy misy dikany aminy ny fanemorana. "Miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanjavozavoana isika," hoy ny nolazainy.

Naato ny fantson'ilay YouTuber Mozambikana rehefa avy nalaina an-keriny sy norahonana izy

Nalaina an-keriny nandritra ny 24 ora izy tany ampiandohan'ny volana Febroary talohan'ny namotsoran'ny polisy azy. Ahiana ho nanome baiko ny fakana an-keriny ilay nitonon-tena ho mpaminany antsoina hoe Joe Williams.

Miomana amin'ny fahatongavan'ny valanaretina i Mozambika na dia tsy mbola nisy aza ny tranga COVID-19 voamarina

Tsy mbola nanakatona ny sisintaniny i Mozambika saingy nametraka fihibohana mandritra ny 14 andro ho an'ireo olona tonga avy any amin'ny firenena misy ny valan'aretina ary nandrara ny fivorian'olona mihoatra ny 300.