· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2018

Oganda: An-jatony no maty tamin'ny fihotsahan'ny tany

Olona miisa 80 farafahakeliny no maty ary mihoatra ny 300 no tsy hita tany atsinanan'i Ogandà ny alatsinainy hariva noho ny fihotsahan'ny ranom-potaka . Ny fihotsahan'ny ranom-potaka vokatry ny oram-batravatra dia nitelina tanànakely telo tao amin'ny distrikan'i Bududa ary namindra olona maherin'ny 2.000 niala ny tranony.

28 Desambra 2018

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

27 Desambra 2018

Ethiopia: Bilaogy nanjavona

(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tototry ny fanombatombanana sy ny fiampangana ny tontolon'ny bilaogy ao Ethiopia rehefa nanjavona tao anatin'ny efijerin'ny solosaina ireo tranonkala...

26 Desambra 2018

Ny Loza Nanjo ireo Kongoley Voaroaka Tany Angolà

Araka ny fanambaràna nataon'ny Kaomisaià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (OCHA), nanomboka tamin'ny fiantombohan'ny volana oktobra, olona eo amin'ny 330 000 eo ho eo tsy nanana taratasy ara-dalàna tao amin'ny fireneny no noroahan'ny Governemanta Angoley, indrindra indrindra mankany amin'ireo faritanin'i Kasaï afovoany sy Kwango ao amin'ny Repoblika demokratika an'i Kongo

16 Desambra 2018