Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Janoary, 2011

Tohin

RD Kongo : Fahatsiarovana mangingina ny faha-50 taona namonoana an'i Patrice Lumumba

  29 Janoary 2011

Nanamarika ny faha-50 taona namonoana an'i Patrice Lumumba, Praiminisitra voafidy voalohany any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) nantsoina hoe Zaïre teo aloha, ny 17 Janoary. Rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Laurent Désiré Kabila tamin'ny 1997 no lasa andro tsy fiasana teo amin'ny firenena io daty manantantara io. Ny nahatsakaiky tamin'ity...

Afrika: Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? – Tapany 1

  27 Janoary 2011

Mety ho Afrikana ve ny fotsy hoditra? ,tsy dia mino an'izany loatra i Sentletse Diakanyo, Afrikana tatsimo mpitoraka bilaogy . Hoy izy, "raha ara tantara, tsy sarotra mihitsy ny dikan'ny teny hoe "Afrikana". Ho an'ny Afrikana amin'izao fotoana, mbola tsy sarotra ihany koa ny dikan'izany. Ny Afrikana manerana ny kaontinanta sy ny ampielezana kosa no nahalala efa ela ny dikan'izany manohatra azy ho mainty hoditra."

Israely/Palestina: Fanehoan-kevitra momba ny Antontan-taratasin'i Palestina

Androany ny  Al Jazeera amin'ny teny Anglisy dia namoaka ny voalohany indrindra amin'ireo antontan-taratasy anatiny efa maherin'ny 1,600 avy amin'ny dingana ho fikatsahana fandriampahalemana teo amin'i Israely sy Palestina, nomena anarana hoe “Antontan-taratasin'i Palestina.” Ireo taratasy navoaka androany dia namoaka ho fanta-bahoaka ny fifanarahana miafina maromaro nifanaovan'ny Lehiben'ny mpanelanelana OLP,...

Tohin

Kamerona: Ireo mpamorona sy mpanamboatra

  24 Janoary 2011

Ny famoronana, ny fahaiza-mamorona sy ny fitantanana dia mihetsiketsika any Kamerona araka ny hitantsika ao amin'ireo horonantsary manaraka mampiseho ireo mpanefy vy eo am-piasana, tranona finday sy solosaina finday vita avy amina bararata sy asa tanana fampikotrehana atody.

Sodana: Ny Fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana, an-tsary

  10 Janoary 2011

Misy fitsapan-kevibahoaka iray mandeha amin'izao fotoana izao any Atsimon'i Sodana, ny 9 Janoary ka hatramin'ny 15 Janoary 2011 mba hijerena na hijanona ho isan'ny Sodana ihany ny tapany atsimo na tsia, na ho firenena iray mahaleotena. Ireto sary ireto dia mandrakitra ho tantara ny fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana. Jereo ny...

Tohin

Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra

  08 Janoary 2011

Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra - voalaza ho mpomba an'i Alassane Ouattara - ao amin'ny MACA, fonja any Abidjan. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina ao amin'ny MACA.