Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jolay, 2017

Tohin

Lahatsary Avy Any Benin: Fetin'ny Vahoaka

  30 Jolay 2017

Fety iray goavana ara-kolontsaina maka ny maha-izy azy avy any anatin'ireo fahasamihafàna ara-kolontsaina samihafan'ireo fombandrazana sy kolontsaina ao Benin ny Fetin'ny Vahoaka.

Mooziko, YouTube Afrikana

  27 Jolay 2017

Nandanjalanja ny lafitsara sy ny lafiratsin'ny Mooziko, ny YouTube Afrikana, tamin'ity herinandro ity ny Bilaogin'ny PKJ Agency, bilaogy iray izay "manao topimaso manerantany momba ny Aterineto Afrikana", ary niteraka adihevitra vitsivitsy tao anatin'ny dingana nataony.

Tohin

Manokatra Sehatra Vaovao Ho An'ny Adihevitry Ny Vahoaka Ny Media Sosialy Ao Ghana

  27 Jolay 2017

Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena Ganeana 2016, tao anatin'ny fiadiana fahefana goavana, nisy zavatra hafa nihamafy. Nanjary fitaovana lehibe ho an'ireo mpifidy ny media sosialy sy ny sehatra antserasera. Nanjary zava-dehibe toy ny fandraisam-pitenenana amin'ny famoriam-bahoaka ny fandraisan' anjaran'ireo mpifidy ao amin'ny sehatra nomerika.

Sodana Miady Amin'ny VIH/SIDA Aorian'ny Vanim-Potoana Islamista

  25 Jolay 2017

Na dia eo aza ny fanamby maro isorohana ny fielezan'ny VIH ao amin'ny fiarahamonina mifikitra lalina amin'ny fomban-tany, dia mahita fisokafana bebe kokoa hatrany amin'io zavatra fady resahana io ny bilaogera toniziana iray miasa amin'ny programa iadiana amin'ny SIDA.

Tohin

Kenya : Maty i Echo, Ilay Reniben'ny Elefanta Ao Amboseli

  24 Jolay 2017

Maty i Écho, reniben'ny elefanta ao amin'ny Valan-javaboarin'ny Amboseli izay malaza eto amin'izao tontolo izao, araka ny fiheveran'ny Amboseli Trust for Elephants (ATE) azy dia noho ny fahanterany sy ny vokatry ny hain-tany izay namely ity valan-javaboary any amin'ny faritra atsimon'i Kenya ity nandritra ny telo taona no nahatonga izany.