Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Jona, 2015
28 Jona 2015
5 Taona Lasa Izay No Nanombohan'ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany FIFA 2010. Mahatsiaro Ireo Fotoana Mamy i Afrika Atsimo.
Ny 11 Jona 2010, nampiantrano ny hetsika ara-panatanjahantena goavana indrindra erantany i Afrika Atsimo. Sambany nisy taty amin'ny tanibe Afrikana zany.
27 Jona 2015
Anaovan'Ny Vahoaka Ogande Hanihany Ny Krizy Politika Efa Mahazatra Vokatry Ny Fangatahan'Ireo Mpitondra Fe-Potoam-Pitondrana Fahatelo Ao Borondi
Niteraka fisian'ny hetsi-panoheran'ny vahoaka maro be ny andrana nataon'ny Filoham-pirenen'i Borondi Pierre Nkurunziza hampitombo ny fe-potoam-pitondrany firenena izay voafetra ho indroa ihany, ary taoriana kely niharan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny foloalindahy izy. Mangataka fitondram-panjakana fanindiminy ny filoham-pirenen'i Oganda.
26 Jona 2015
Jereo i Afrika Tsy Ho Asehon'ny Media Anao Mandrakizay
Matetika ny Fampitam-baovao Tandrefana namariparitra an'i Afrika ho toerana maizina, tsy misy fanantenana. Nifamory teo ambany hashtag #TheAfricaTheMediaNeverShowsYou ny Afrikana mpisera Twitter hanaporofo aminao fa tsy marina izany.
25 Jona 2015
Fa Maninona no Sady Lafo no Mikisaka ny Internety ao Mali Miohatra amin'i Sénégal na Cote d’Ivoire Ohatra?
Misy hantsana goavana dia goavana tokoa ny fahasamihafan'ny saran'ny internety aoamin'ireo firenena ao Afrika Andrefana. Misy fikambanana iray nanao fanentanana mba hanova izany toe-javatra izany.
23 Jona 2015
#Iam76 Manome Voninahitra Ireo Mpianatra Afrikana Tatsimo Maty Nandritra ny Fitroarana tao Soweto
"Ny helony : nahasahy niatrika bala mahafaty fijoroana vavolombelona tsy mety maty ataon'ny voatsindrihazolena!"
22 Jona 2015
Manana Hafatra Ho an'ny Boko Haram ity Mpihira Nizeriana ity
Ilay mpihira Nizeriana miteny amin'ny mpikamban'ny Boko Haram sy ireo extremista hafa fa "Pray For You" [Hivavaka ho anao] izy ao amin'ny hira iray amin'ny rakikira navoakany farany indrindra.
15 Jona 2015
Any Afrika Ny Hoavin'ny Haino Aman-jery Frantsay
Noho ny fihemoran'ny tsenan'ny haino aman-jery amin'ny teny frantsay amin'izao fotoana izao, dia hitan'ny sasany ho tomba famelonana izany indray Afrika.
08 Jona 2015
07 Jona 2015
Soratra Mipetaka Amin'ny Blaogin'i Zelalem Kiberet: ‘Avelao Hikorintsana ny Fahafahana’

Noho ny halalin-tsainy, lahatsoratra mampihomehy sy ny tsy fanaikinaikeny lembenana tamin'ny famakafakana ara-pivavahana dia namboarin'ny namany ny anaran'i Zelalem hitovy amin'ny anaran'i Zola, ilay mpanoratra frantsay
04 Jona 2015
Djibouti Ao Anatin'ny Ady Amin'ny “djihadisma”
Tany feno zava-mifanohitra tsy takatry ny saina i Djibouti. Andrin'ny ady atao amin'ny djihadisma any amin'ny faritra misy azy, saingy loharanom-bola avy any ivelany ho azy koa io ady io.
LALANA IZANY