Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Oktobra, 2013
Mitaintaina i Madagasikara Raha Miatrika ny Fifidianana
Miandry tsy lavo loha ireo valim-pifidianana ny vahoaka eto Madagasikara, taorian'ny androm-pifidianana makotrokotroka.
Zambia: Ny Filoha Mampitombo Ny Karamany, Ireo Depiote Mpanohitra Manameloka
Nofongarin'ny tranonkalan'ny mediam-bahoaka "Zambian Watchdog" ny Didy Fampiharana iray nanondrotana ny karaman'ny Filoha Michael Sata taorian'ny tsy fanetsehana ny karaman'ireo mpiasam-panjakana nandritra ny roa taona.
GV Face: Ny Zavatra Rehetra Ilainao Fantarina Momba ireo #SudanRevolts

Mitafa miaraka amin'ireo Sodaney mpanoratra ho antsika, Usamah M, sy Magdi ElGizouli, tompon'ilay bilaogy malaza Still Sudan ny tonian-dahatsoratsika ao MENA, ary manontany azy ireo raha ity no Lohataona Arabo manaraka.
Zambia: Tandremo Ny Aloaky Ny Vavanao — Mihaino Ny Filoha

Mahita ireo fitaovana fanaraha-mason'ny governemanta eo ambany seza fiandrianany, ary eny fa na any am-pandriany aza, ireo lehiben'ny vondrom-poko ao Zambia.
Rivotra Madio Ho an'i Ginea-Bisao: Firenena Iray Miandrandra Fiadanana
Anatinà firenena mitoka-monina noho ny fanonganam-panjakana, ireo fihenjanana ara-politika ary ireo tsy fahamarinan-toeran'ny toekarena, inona ireo safidy hoavy ho an'ny vahoaka ao Ginea-Bisao?
Madagasikara: Betsaka Ny Lesoka Tamin'ny Fifidianana #mdg2013
Tsindrian-daona nandritra ny fotoana ela ny vahoaka niandry na ho tanteraka ihany na tsia ny fifidianana. Tontosa soa aman-tsara izany na teo aza ny tsy fahatomombanana maro isan-karazany tsikaritra nandritra ny fanomanana, nandritra ny andron'ny fifidianana, ary indrindra fa nikasika ny ora nolazaina fa hikatonan'ny birao fandatsaham-bato.
Madagasikara: Mafàna ny fara-doboka
[...]Fa ny tsy tokony ho adinon'ny tsirairay, na mpifidy izy na mpifaninana dia ny fiarovana ity fifidianana ity ho anaty mangaraharaha sy hilamina. Tsy sanatria hatoritory ka tsy hanara-maso ny fandehany, mialoha, mandritra ary aorian'ny latsa-bato.[...]
Madagasikara : Fifidianana Filoham-pirenena 25 Oktobra 2013 – Nankaiza Ireo Mpifaninana Hafa ?
Kandidà 33 no tokony ho fantarina sy ho hita etsy sy aroa, kanefa raha ny hita sy ny re matetika amin’ny fahitalavitra , ny onjam-peo sy ny tambajotra sosialy toy ny Facebook ,sns…dia ny antsasany amin’ireo Kandidà ireo ihany (16 isa ) no tena mitety faritra sy tena hita manerana ny tanàna
Enina Isan-jaton'ireo Mpianatra Ho Mpisolovava 250 Ihany No Afaka Tao Zambia Tamin'ity Taona Ity
Nilaza ny sasany tamin'ireo mpiserasera fa mila havaozina ny rafitra.
Bilaogy Anarivony Miresaka Zon'Olombelona Ao Amin'ny “Blog Action Day”
Asongadin'ireo Bilaogera manerana ny tany, isan'ireny ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, ny lohahevitry ny #BAD13 amin'ity taona ity : ny Zon'Olombelona.