Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Desambra, 2011

30 Desambra 2011

Etiopia: Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina Ireo Mpanao Gazety Soedoà

Namoaka didy ny fitsarana Etiopiana tamin'ny Talata 27 Desambra 2011 teo fa sazy 11 taona an-tranomaizina no azon'i Martin Schibbye sy Johan Persson, mpanao gazety Soedoà voarohirohy ho nanohana ny tafika mpikomy tao amin'ny firenena. Fohy kokoa ny sazy azo raha toa ka 15 taona no tokony ho izy farafahakeliny,  efa...

Tanzania: Manentana An-tserasera Mba Hanampiana Ny Tra-boina Ny Tanora ao Dar

Nanentana ireo tsara sitrapo Ao Dar es Salaam ny vondrona tanora mpiserasera mba hanatevin-daharana amin'ny famonjena ireo olona niharam-boina taorian'ilay tondra-drano nahazo ny faritra midadasika ao Dar es Salaam, izay niteraka fahafatesana olona maro sy fahasimban'ny foto-drafitrasa. Mampiasa ny tenifotra #Darfloods ireo mpisera Twitter amin'ny fampitana vaovao amin'ny olona  ary manentana hatrany amin'ny fandraisana...

28 Desambra 2011

Liberia : An'Iza Ny Hadisoana Tamin'ny Fifandonana Tao Monrovia ?

Ilay asa an-tselika krismasy novolavolain'i Filoha Ellen Johnson-Sirleaf mba hanomezana tombontsoa mpianatra eo amin'ny 3.000 eo dia nivadika ho herisetra sy famotehana tao Monrovia, renivohitr'i Liberia. An'iza ny fahadisoana ? Manontany ireo mponina anaty aterineto.

Mozambika : Ilay Bilaogera Tsy Voafehy Ao Amin'ny Facebook

Mozambika dia firenena vitsy bilaogera ngezalahy ary ankoatra izay dia kely amin'ny fitantaràna ny resaka fanehoan-kevitra mazava ao anaty aterineto malalaka. Miaraka amin'ny firoboroboan'ny Facebook (amin'ny alalan'ny finday), olona iray be herim- po no nivoaka avy tao amin'ity tontolo fotsy voahodidina manga ity.. Miaraka amin'ny fanadihadiany ara-politika mivantambatana sy ny...

26 Desambra 2011

Tohano Ny Global Voices

Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'ny fampahalalam-baovao an-tserasera. Teo foana ny Global Voices nitatitra ireo revolisiona niseho, ny fihonganan'ny didy jadona, sy ny fiantraikan'ny fikorontanana nateraky ny fihetsiketseham-bahoaka mbamin'ny fikomiana notaterin'ny mpanoratra tato aminay manerana izao tontolo izao tany amin'ny firenena sy tanàna maro. Mba hanamarihana ity taona nampientanentana...

14 Desambra 2011

Tanzania: Mibilaogy sy Mibitsika ny Tanzania@50

Ny ampahany lehibe indrindra amin'ny taniben'ny Repoblika Mitambatr'i Tanzania, Tanganyika, dia feno 50 taona. Aty anaty aterineto, mankalaza izany ireo bilaogera sy mpandefa bitsika sady misaintsaina izay hoavin'i Tanzania.

08 Desambra 2011

Zambia: Miezaka mafy Hiady Amin'ny Kolikoly ny Mpiserasera

Efa nisy fotoana nanakoako tao Zambia ny hiaka mitaky fanovana; ankehitriny ny antokon'i Michael Sata, Tia Tanindrazana (TT) no nandrava ny fahefana nanjaka ampolony taona, ny antoko Hetsika ho an'ny Demokrasian'ny Antoko-Maro (HDAM), hita fa mizotra mankany amin'ny lalam-baovao i Zambia. Ny hita ho tena mahaliana indrindra dia ny tanjona tokana kinendrin'ny governemanta...

07 Desambra 2011

Songadina Lahatsary: Lavo-Tondro, Mpialokaloka, Ady ary Teknolojia Mivelatra

Tantara nahitana lahatsary mahaliana notsongain'i Juliana Rincón Parra tato amin'ny Global Voices nalaina tany Azia Atsinanana, Afrika Atsimon'i Sahara, Azia Afovoany, Kaokazy ary Amerika Latina, selected by Juliana Rincón Parra.

Etiopia : Adihevitra Mikasika Ny Fifanambadian'olo-mitovy Raha Mampiantrano Ny Fihaonambe Momba Ny SIDA Ny Renivohitra

Fivoriam-be Iraisam-pirenena iray momba ny SIDA sy ny Aretina Azo avy amin'ny Firaisana izay hatao ao Afrika no nahatonga resabe taorian'ny fivorian'ireo mpitondra fivavahana sy ireo manampahefana avy amin'ny governemanta ao Etiopia ny 29 Novambra 2011, ny amin'ny hoe ho raràna na tsia ny fivorian'ireo mafàna fo mpiaro ny zon'ireo...

Zambia : Nahatonga Resabe Ilay Fiara Raitra Vaovao An'ny Zanaky ny Filoha

Ny ampamoaka nataon'ilay Tale mpanantanteraka ny Komitim-bahoaka Gregory Chifire izay nilaza fa ny zanaky ny Filoha Mulenga Sata dia vao nahazo fiara roa lafo vidy dia nahatonga fanehoan-kevitra nifamahofaho be teo amin'ireo mponina Zambiana.