Isaky ny Sabotsy maraina, misy andiana tovovavy sy vehivavy mifamotoana ao amin'ny Addis Skate Park ao an-drenivohitr'i Etiôpia mba hilona ao anatin'ny tontolon'ny skateboard. Manao fanazarantena mafy ry zareo, mianatra ny zavatra rehetra manomboka amin'ny teknika tsy hianjeràna ka hatramin'ny fanatsaràna ny fitontonana, ka amin'ny fanaovana izany dia mitolona manohitra ireo hevi-draikitra, ny fandemena ary ny fanavakavahana ny vehivavy ao Etiôpia.
Araka ny fitantaran'ny gazetiboky Vogue, efa telo taona mahery io hetsika io no nanomboka tamin'ny alàlan'ny media sôsialy, natombok'i Sosina Challa, ilay mpisava làlana ny iray amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny mpilalao Skate tsy ahitàna afa-tsy ankizivavy ao anatiny.
Navoakan'i Sosina teo amin'ny Instagram sy ny Telegram Messenger ny taratasy mivalona iray nitondra hafatra tsotra: “Fianarana maimaimpoana Skate ho an'ireo zazavavy.” Mahay tsara ny hevi-draikitra momba ny filalaovana Skate ao Etiôpia, izay toy ireo toerana maro erantany, nampifandraisina voalohany indrindra amin'ireo zazalahy sy tovolahy ny filalaovana Skate, lasa niahiahy izy hoe mety tsy hamela ny zanany vavy handray anjara ireo raiamandreny ary tsy hisy zazavavy na vehivavy ho tonga. Fa tena tsy nampoiziny, ampolony vitsivitsy teo ireo zazavavy sy vehivavy, teo anelanelan'ny 10 sy 25 taona no betsaka, tonga teo amin'ilay kianjan'ny Skate mba hanaraka ny lesona voalohany.
Taona vitsy taty aoriana, nihamaro ireo vehivavy sy zazavavy nanatevina laharana. Ankehitriny, manana mpikambana maherin'ny 60 ilay tarika Ethiopian Girl Skaters (EGS) najoron'i Challa, ary lasa ho ny vondronavoalohany mpilalao Skate eo amin'ny firenena, tsy misy afa-tsy vehivavy ao anatiny.
Fa tsy ny EGS ihany no vondrona mpilalao Skate tsy ahitàna afa-tsy vehivavy ao Etiopia. Eo ihany koa ny Set Skateboarding, izay tamin'ny 2021 no najoron'i Helina Solomon, 18 taona. Narahamaso akaiky ny fitiavan'i Solomon ny filalaovana Skate, nahatonga azy niharam-panafihana manokana sy ara-nofo avy amin'ireo zazalahy tsy afaka mahatakatra ny fomba nataon'io tovovavy io nahavitàny nampametra-panontaniana momba ilay fitobohana (“statu quo”) hoe “natao ho an'ny zazalahy ihany”. Tao anaty antsafa iray ho an'ny Olympics.com, hoy izy: “Tsy mora tamin'izany. Nisotasota tamin'ireo ankizivavy mpialalo skate ireo zazalahy tao amin'ny kianjan'ny skate. Nilàn-dry zareo vaniny izahay vantany vao hitan-dry zareo eny ambony skate.”
Tany amin'ny manodidina ny andian-taona 1940s sy ny fiandohan'ny andian-taona 1950s, tany California, Etazonia, no nipoitra ireo voalohany mpitaingina Skate, rehefa naniry hanao zavatra hafa ireo mpisosa ambony rano tao California mandritra ny tsy fisian'ny onja. Amin'izao fotoana izao, nihanaka niampita an'i Atlantika ity fanatanjahantena ity, misy an'i Addis Ababai izay vetivety foana dia lasa ivon'ny tontolon'ny Skate ao Afrika. Araka ny nomarihan'ny The Reporter Ethiopia, misy mpilalao Skate mihoatra ny 10 tapitrisa eran'izao tontolo izao, ary lasa indostria iray misanda dimy lavitrisa dôlara izy io.
Matetika no ampifamatorina amin'ireo zazalahy io fanatanjahantena io ao Etiôpia sy Afrika amin'ny ankapobeny. Tanaty lahatsary YouTube iray an'ny AFP News, nanamarika i Challa hoe: “Rehefa vehivavy ianao na ankizivavy, sarotra ny hilalao skate eny akaikin'ireo zazalahy satria ny olona mihevitra fa ny ankizivavy dia tokony hanampy ny ray sy reny any an-tokantrano.” Hanna Bless, mpikambana iray ao anatin'ilay tarika no nanampy fa “tsy dia mahazatra ny mahita ankizivavy manomboka milalao Skate satria manohana anao ny olona. Saingy tsy maintsy misy olona misantatra. Tsy maintsy nanomboka ny tarika sasany. Ary izahay no voalohany tamin'izany, ary mahatsapa ho heni-boninahitra aho hoe anisany.”
Raha niresaka tamin'ny Olympics.com, notsindrian'i Solomon fa “… Tsy zakan'ny fiarahamoninay ny filalaovana skate. Heverina ho toy ny fanatanjahantena fanaon'ny bandy ratsy taiza izy io, araka izany dia sarotra ho an'ireo ankizivavy toa ahy ny handeha hanohitra azy ireny.”
Na eo aza ny filam-baniny sy ny hevi-draikitra manodidina ny filalaovana Skate, tsy manaiky ny hotsindriana tsy hirotsaka amin'io fanatanjahantena io ireo ankizivavy feno fahasahiana ireo. Ny hafaliana, ny fahatokisan-tena ary ny zotom-po asehon'izy ireo rehefa milalao Skate dia mampiseho hoe hatraiza ny fitiavan-dry zareo io fanatanjahantena io.
View this post on Instagram
Ny zotra nodiavin-dry zareo dia voatahiry ao anaty sarimihetsika iray fanadihadiana mitondra lohateny hoe “Skatepark Sisterhood: Ethiopian Girl Skaters.”
Bekyk hierdie plasing op Instagram
Araka ny nasongadin'i Solomon tao amin'ny Olympics.com, misy sasany amin'ireo ray aman-dreny mitsipaka ny hidiran'ny zanany amin'ny filalaovana Skate noho ny tsy fankatoavan'ny fiarahamonina azy io, ny fijerena azy ho toy ny fanatanjahantena misy ifandraisany amin'ny fitondrantena tsy mendrika. Mety koa ho antony iray hafa amin'ny fandàvan'ireo ray aman-dreny sasany an'io fanatanjahantena io ny loza mety hitranga amin'ny filalaovana Skate eny amin'ireo arabe be mpivezivezy ao Addis-Abeba.
Fanamby lehibe maro no atrehan'i Etiôpia, isan'izany ny kere sy ny fahasahirànana ara-toekarena. Araka ny nomarihan'ny tatitra iray avy amin'ny International Journal of Adolescence and Youth, ny tsy fananan'ny tanora asa no tena fanamby fototra ho an'ilay firenena faharoa be mponina indrindra ao Afrika.
Satria miha-mitombo hatrany ny filalaovana Skate ao amin'ny firenena, manantena i Mickey Asfaw, mpiara-manorina ny EGS fa ho be kokoa ny hirika afaka omena ireo zazavavy amin'ny alàlan'io fanatanjahantena io.
Ny vokatra miabo entin'ity tsy fitsahara-mitombon'ny filalaovana Skate ity dia hoe nandray anjara tamin'ny fivoaran'ny kianjan'ny skate sy ny fanatsaràna ny làlana ny vondrom-piarahamonin'ny mpilalao skate ao Etiopia. Nampiseho zoro iray hafa ny lahatsoratra iray nosoratan'i Zee Ngema tao amin'ny Okay Africa tamin'ny fanasongadinanan fampisehoana iray nataona skateboarders roa nampiana-tena ka lasa mpakasary, Yared Gobezie sy Ruel Desta, nomeny lohateny hoe “The Streets, Our Playground” (Ny arabe, kianja filalaovany). Tamin'ny filazàna hoe nahazo ny fahalinan'izao tontolo izao ny Ethiopian Girl Skaters “noho ny fomba ara-organika sy nahasondriana nifankahitàn'ilay vondrom-piarahamonin'ireo ankizivavy tamin'ny alàlan'ny filalaovana skate,” derain'ilay lahatsoratra ny fitarihan'ireo tanora mpilalao skate mpakasary:
“Ankehitriny, ireo lehilahy misolo tena ity vondrona kely nefa feno fanolorantena ahitàna mpilalao skate ity dia nirotsaka tany anatin'ireo faritany vaovao feno famoronana mba ho fitaratry ny fitiavana sy ny fifampikarakaràna niainan-dry zareo, tamin'ny famerenana izany avy hatrany ho ao amin'ilay vondrom-piarahamonina ihany.”