Voafidy tamin'ny 24 Martsa 2024, Bassirou Diomaye Faye no filoha tanora indrindra teo amin'ny tantaran'ny Repoblikan'i Sénégal, teo amin'ny faha-44 taonany.
Ny 25 Martsa, daty nahaterahany izy no voatendrin'ny lahatra handray io asa io. Zotra niavaka tokoa satria vao enimbolana lasa izay, mbola teo ambany alok'ilay mpanoro hevitra azy izy, ilay olon'ny mpanohitra no sady nirotsaka hofidiana ho filoha tamin'izany fotoana izany, Ousmane Sonko.
Ny làlana nizorany voalohany tany anatin'ireo andrim-panjakana
Tamin'ny 2000, azon'i Faye ny diplaomany bakalôrea, tao amin'ny lisea Demba Diop ao Mbour, tanàna amorontsiraka any amin'ny 80 km miala an'i Dakar, renivohitr'i Sénégal. Avy eo izy nanaraka fianarana lalàna tao amin'ny anjerimanontolo Cheikh Anta Diop ao Dakar (UCAD) izy nahazoany ny diplaoma Maîtrise tamin'ny 2004. Tamin'io taona io ihany izy no niditra ho ao amin'ny École nationale d'administration (ENA) ao Sénégal, ary tamin'ny 2007, dia nahazo ny diplaoma fanomen'ny ENA, izy nahafahany niditra tao amin'ny Fitantanana Foibe ny Hetra sy ny Fananantany tao amin'ny fireneny, nitazonany ny toerana inspekteran'ny fitantanambola sy ny hetra.
Ny fanolorantana ara-tsôsialiny sy ny fikatrohany no nahafahany niditra tao amin'ny Sendika mizakatenan'ireo mpiasan'ny hetra sy ny fananantany, ka vetivety izy tao dia lasa singa iray manandanja ho an'ilay sendika tamin'ny nitazonany ny toerana sekretera jeneraly. Tamin'io vanimpotoana io no nifankahafantarany tamin'i Ousmane Sonko, fifanojoana iray hanova ny fiainany sy ny fahitàny zavatra.
Vakio: Bassirou Diomaye Faye élu président au Sénégal: victoire d'une jeunesse déterminée [fr.]
Fanolorantena ara-pôlitika
Tsy teo amin'ny pôlitika loatra tany am-piandohany, tamin'ny 2014 i Faye no niditra tamin'ny sehatra pôlitika niaraka tamin'i Sonko tamin'ny fananganana ny antoko Patriotes Africains du Sénégal pour le Travail, l'Ethique et la Fraternité (PASTEF) izay izy no lasa singa tsy maintsy ilaina.
Mandeha tsikelikely io fiovàna io, saingy mitoetra ho zava-tsy nampozina ho azy, araka ny fanazavàny tao anaty antsafa iray niarahana tamin'ireo médias sônegaly taorian'ny fifidianana filohampirenena natao tamin'ny 2019 ary naverin'ny BBC Afrique noraisina indray:
Tsy nandalo tao an-tsaiko ny hanao pôlitika, satria raha vao manana raiamandreny mpanao pôlitika ianao, ny zavatra voalohany indrindra, halanao ny pôlitika satria ny tsy fahampiana fotoana no hitanao. Hitanao ny fahasarotan'ilay fanolorantena, hitanao ny tsy maha-eo miverimberina ny ray.
Tamin'ny 2021 i Faye dia nirotsaka ho kandidà tamin'ny fifidianana kaominaly tao Ndiaganiao, kaominina nahaterahany. Nefa nandresy azy i Tening Sène, kandidà avy amin'ny antoko Alliance pour la République (APR) an'i Macky Sall (filoha teo aloha tao Sénégal).
Tamin'ny 2022, nitàna ny toerana maha-sekretera jeneralin'ny antoko PASTEF sy filohan'ny Mouvement national des cadres patriotes (MONCAP) izy. Tena feno fahavononana tanteraka, Faye dia nandray anjara tamin'ny fametrahana ny antoko nanerana ny tanin'i Sénégal sy teny anivon'ireo ampielezana.
Nosandain'ireo sangany mpitarika ny antoko, ry Bassirou Diomaye Faye sy ilay mpanoro hevitra azy Ousmane Sonko, ireo kina nivaivay sy fiampangana nataon'ireo mpikambana tao amin'ny antoko PASTEF ny fitondràna Macky Sall sy ny rafitra pôlitikany. Raha iry voalohany nosamborina tamin'ny Aprily 2023 ary naiditra am-ponja noho ny fanapariahana vaovao diso, fanalàm-baràka ary noho izy nanakiana ireo mpitsara ny raharaha Sonko, ilay faharoa kosa indray, tamin'ny Jolay 2023, dia voaheloka tamina fanolànana sy fanalàm-baràka. Saingy tsy nanova na inona na inona teo amin'ny fomba fijerin'i Faye-Sonko ilay fijanonana tany am-ponja, izy ireo izay nampitombo ny fifampiraharahàna avy any ambadiky ny karakara vy mba hanànan-dry zareo vintana hirotsaka ho kandidà ho filohampirenena ny Martsa 2024.
Diabe nankany amin'ny lapan'ny filohampirenena
Raha nitsipaka ny firotsahan'i Ousmane Sonko ny filankevitra momba ny lalàm-panorenana, dia nisafidy ny hiditra tamin'ny drafitra B ny antoko PASTEF: fametrahana an'i Faye izay maneho ny vinan'i Sonko hisian'ny Sénégal mandroso kokoa. Vetivety foana ireo angovo dia nihetsika nanodidina ny firotsahan'i Faye, indrindra fa ny fanohanana nasehon'ilay laharana voalohany ao amin'ny antoko PASTEF dia manome toky an'ireo mpikambana sy ireo mpanara-dia. Nandritra ireo fampielezankevitra ho an'ny fifidianana, nisy mpikambana iray avy amin'ny antoko nijoro ho vavolombelona tao amin'ny BBC Afrique :
Azo lazaina hoe i Diomaye [Faye] dia Ousmane Sonko iray hafa, dika saika nitovy tanteraka taminy, mitovy fomba fisaina ry zareo ary indrindra indrindra mifanaja sy mifampatoky amin'ny sedra rehetra mitranga.
Teo am-pivoahana ny fonja, Faye sy Sonko dia nanatevin-daharana ireo marobe mpikatroka tonga teny an-kianja hanao fampielezankevitra. Narovany ny ideôlôjia sy ny fandaharanasa sôsialin-dry zareo ho an'ny vahoaka. Ny fandarahanasa sôsialin'i Faye dia manindrahindra ny fisintahana ary maniry ny hanasongadina ny fiandrianam-pirenen'i Sénégal amin'ny fiatrehana ireo tetikasa lehibe mihodidina amin'ireo laharam-pahamehany : ady amin'ny kolikoly ; ny fanarenana ifotony ireo andrim-panjakana sy famerenana ny demaokrasia ; ny fampiatiana afrikàna ; fanavoazana ara-bola na famoronana vola nasiônaly iray; ary ny fampifandanjana ireo fiarahamiasa iraisam-pirenena.
Vakio eto ny fandaharanasa fenon'i Bassirou Diomaye Faye
Vantany vao voafidy, nanao ny kabariny voalohany i Faye, izay azo henoina ao anatin'ity lahatsarin'ny fantsona YouTube an'ny BBC Afrique ny sombiny:
Araka izany, Bassirou Diomaye Faye izay tsy mbola nitazona mihitsy asa-na minisitra, ary tsy mbola vofidy mihitsy hitàna andraikitra kaominaly, na mpanao lalàna tao amin'ny fireneny, no lasa lehibe faratampon'ny firenena iray misy mponina mihoatra ny 18 millions, heverina ho toy ny lasitra demaokratika ho an'i Afrika Andrefana. Ny fiakaran'ny antoko PASTEF sy i Faye dia lesona iray amin'ny fahavononana tanteraka sy ny fanolorantenan'ireo tanora, nefa koa lesona iray momba ny demaokrasia ho an'ireo firenena hafa ao amin'ny faritra andrefan'i Afrika.
Tsy azo atao ankehitriny ny milaza an'i Bassirou Diomaye Faye ho filohampirenena kanefa tsy hanonona ny anaran'i Ousmane Sonko, izay nahazo solonanarana ho mpanangana mpanjaka, araka izay anoloran'ny Radio Télévision Sénégalaise azy:
Amin'izao fotoana izao ireo Sônegaly sy ireo mpanaramaso ny fiainana pôlitika ao Sénégal dia samy miandry izay ho anjara andraikitr'i Ousmane Sonko ao anatin'ity tantara vaovaon'ny firenena ity, eo anilan'i Bassirou Diomaye Faye, ilay tànan-kavanany tsy maintsy ho antsoiny hoe filoha manomboka izao .