Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2017
Hay Tena Kely Tokoa Ity Izao Tontolo Izao Ity : Fandraisampeo Mankany Amin'ny Lalina
Mandania fotoana miaraka amin'olona avy any amin'ny firenen-kafa, na miteny amin'ny fiteny hafa, ary tsy ho ela dia ho hitanao fa maro kokoa noho izay noeritreretinao tamin'ny voalohany ny zavatra itovizanareo.
Mankalaza ny Andron'ny Maherifo ao anivon'ny Tsikeran'ny Tambajotra An-tserasera ny ao Mozambika
Raha tsy nanao ho ambanin-javatra ny maha-zavadehibe ny tolona ho amin'ny fahaleovantena, maro amin'ireo Mozambikana no nisera tao amin'ny tambajotra sosialy hieritreritra ny lanjan'ny Andron'ny Maherifo amin'izao vanim-potoana izao.
Miatrika Fanamelohana Bevava Noho Ny Fampiasana Amin'ny Tsy Tokony Ho Izy Ny Solosaina Ilay Ogandey Mpampianatry ny Anjerimanontolo Sady Mpitarika Ny Fanentanana Sy Fanabeazana Ho An'ny Fampiasana Salaka
Lasa anton-javatra hirohotan'ny Ogandey izay manohitra ny fitondran'i Musveni ny tantaran'i Nyanzi.
Eken'ny Kaomisiona Momba ny Zon'Olombelona Ao Etipoia Fa nisy Mpanao Fihetsiketsehana Maty, Saingy Tsy Sahiny Ny Hanome Tsiny Governemanta
“Andriamanitra anie hanafaka antsika amin'ny Kaomisiona mpanaiky lembenana momba ny Zon'Olombelona, izay manakivy vahoaka”
Trano Voazara: Etiopiana Mpihazakazaka Nosarahan'ny Politika, Miatrika ny Hazakazaka Lavitr'ezaka Any Londra
Feyisa Lelisa sy Kenenisa Bekele, roa amin'ireo mpihazakazaka lavitr'ezaka goavana indrindra eto amin'izao tontolo izao, dia samy avy amin'ny foko iray ihany. Fa hatro amin'izay ihany no miato ny fitoviana.
Tetikasa Fametrahana an-Tsarintany Ifarimbonana ireo Toerana Marefo Indrindra Hanatsarana ny Vonjy Voina
Mampiaraka ny asan'ny mpirotsaka an-tsitrapo mandray anjara any lavitra any, ireo mpitarika ny fiarahamonina eny ifotony ary ireo fikambanana mpamonjy tra-boina ny Tetikasa Miising Maps
Manamafy Ny Krizy Ara-tsakafo Misy Ao Amin'ny Firenena ny Korontana Ara-politika Ao Borondi
Raha iharan'ny krizy ara-tsakafo lehibe i Afrika Atsinanana manontolo noho ny faharatsian'ny toetrandro, vao maika nihamafy ny toe-draharaha noho ny korontana ara-politika ao Borondi.
Milaza Ireo Afrikana Tatsimo Sasany Fa Tsy ny Filaharan'ny Famatsiam-bola Fotsiny Ihany no Tratran'ny Tsy Fanjariana ao amin'ny Firenena
Miampanga ny filohan'ny firenena izy ireo, ny hantsana ara-tantara sy mitranga ankehitriny , ary ny sampan-draharaha mpanadihady ny tahan'ny fampindram-bola manokana rehefa navarin'ny &P Global Ratings sy ny Fitch i Afrika Atsimo.
Oniversite Mozambikàna Roa Mandràra Ny Zipo Fohy sy ny Volo Rasta
" Raha manaraka ireo fitsipika ireo ny mpianatra, dia satria tsy manam-pahasahiana hampanaja ny zon'izy ireo, ary mendrika ho azy ireo ny oniversite ianarany. ".
Kintan'ny Media Sosialy Ny Sasany Amin'ireo Tranom-baovao ao Ghana, Raha Nandalo Fotsiny Ny Hafa
Nanadihady ny fampiasana media sosialy eo amin'ireo gazety, fahitalavitra sy radio ny tatitra telo volana voalohany momba ny Tondro Media Sosialy 2017, navoakan'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa Penplusbytes.