Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Mey, 2014
“Ahoana no handoavantsika Malagasy ny fitaovam-pianarana, fitafiana ary fanafody ho an'ny ankizy ?”
Tojo Fehizoro, Malagasy mpibilaogy iray, namoaka sombin-taratasy (netezana avy amin'ny gazety malagasy iray teto an-tanindrazana) mamehy ny fandaniana kely indrindra ho an'ny ankohonana malagasy iray misy olona efatra ka ankizy...
Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara
Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny...
Mpikatroka Roa Nosamborina Nandritra Ny Famoretana Fihetsiketsehana Tao Alzeria
Tanora mpikatroka teratany Alzeriana i Mohand Kadi ary teratany Toniziana kosa i Moez Benncir. Nosamborina izy ireo raha niara-nisotro kafe teny amin'ny terasy tao afovoan-tanànan'ny renivotr'i Alzeria nandritra ny fihetsiketseham-panoherana milamina «Barakat !» andro iray alohan'ny fifidianana filoham-pirenena.
GV Face: Ho Famotsorana Ny Blaogeran'ny Zone 9 ao Ethiopia
Blaogera sy mpanoratra gazety sivy --mpikambana ao amin'ny Global Voices ny efatra amin'izy ireo -- no migadra noho ny asany ao Ethiopia amin'izao fotoana izao. Fantaro ary ny fomba hanohananao ny fanentanana #FreeZone9Bloggers !
Ethiopia: Mangataka Fanalava-Potoana Hanohizana Ny Famotorana Ireo Bilaogeran'ny Zone 9 Ny Polisy
Nilaza ireo namana avy ao amin'ny Global Voices fa nampihetsi-po tanteraka ny zava-niseho tao ivelan'ny fitsarana Addis Abeba raha nipoitra nandritra ny fotoana fohy ireo gadra bilaogeran'ny Zone 9.
Miaraha Aminay Amin'ny Tweetathon #FreeZone9Bloggers Amin'ny 14 Mey
Tongava manatevin-daharana ireo bilaogeran'ny Global Voices amin'ilay tweetathon manerana an'i Afrika ho fanohanana an'ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy nosamborina tamin'ny volana Aprily lasa teo ary migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao.
Mbola Mikasa Hanao Fampisehoana Hoan'ilay Mpanao Didy Jadona Gambiana, Yahya Jammehi Erykah Badu
Nanjary lasibatry ny tsikera indray ilay mpihira vehivavy Amerikana Erykah Badu noho ny fampisehoana kasainy atao hoan'ny filoha Yahya Jammeh ao Gambia, vao tsy ela akory izy izay no nahazo tsikera tamin'ny fampisehoana nataony hoan'ny Mpanjaka Mswati III ao Swaziland tamin'ny fankalazana ny tsingerintaona faha-46 nahaterahany.
Novazivazin'ny Zimbaboeana Tao Amin'ny Twitter Ny Lehiben'ny Mpanohitra Nahantona Tamin'ny Toerany
Inona ny lohateny tsara indrindra amin'izay mety ho boky momba ilay mpitarika ny Hetsika ho amin'ny Fanovana Demaokratika ao Zimbabwe, Morgan Tsvangirai? Manana hevitra vitsivitsy ny mpisera Twitter.
Fomba 4 Ahafahanao Manatevin-Daharana Ny Fanentanana #FreeZone9Bloggers
Mandraisa anjara amin'ny fanentanana hitakiana ny famotsorana ireo bilogera sady mpanao gazety voatazona any Etiopia: Manorata taratasy, soniavo ny fanambaràna, na mikarakarà fihetsiketsehana ao an-tanànanao!
FANAMBARANA: Miantso Ho Amin'ny Famotsorana Ny Mpanoratra Gazety Sivy Ao Ethiopia Ny Global Voices
"Tafintohina izahay amin'izao fanitsakitsahana ankarihary ny zon'ny namanay hanana fahalalaham-pitenenana izao ary manahy mafy amin'ny momba azy ireo. Tsy afaka ny hangina izahay."