· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Avrily, 2012

Sénégal : Ry Zareo Senegaly Sy Ny toerana Misy Ny Demaokrasiany

  30 Avrily 2012

Raha toa mbola variana mitehaka an'ila Filoha teo aloha Abdoulaye Wade sy ny Demaokrasia Senegaly izao tontolo izao, ny tontolon'ny bilaogy senegaly kosa dia feno fanakianana ny tomban'asan'ilay filoha voahilika, A. Wade. Ampahatsiahiviny indrindra indrindra ireo niharan-doza nialoha ny fifidianana, ireo fanitsakitsahana ny zon'ny fanaovana gazety ary ireo ohatra mikasika ny faharatsiam-pitantanana.

Kenya: Tanora Afrikana Efatra Mijoro Manohitra Ireo Fitsaratsaram-poana Ataon'i Hollywood

  30 Avrily 2012

Taorian'ny nijereny lahatsary iray novokarin'i MamaHope manasongadina ankizilahy kely iray 9 taona mitantara sarimihetsika "commando" dia nanatona an'i MamaHope ny tovolahy 7 avy ao Kenya mba hizara izay fomba fijerin-dry zareo ny saimihetsika vokarina avy any Hollywood : ho azy ireto, dia ny fitsaratsaram-poana entin'ireo horonantsary maneho an'ireo lehilahy mainty hoditra.

Guinea-Bissau: Taorian'ny Fanonganam-panjakàna,Nosamborina Ary Nodarohan'ny Miaramila Ilay Mpitoraka Blaogy Malaza

GV Mpisolovava  30 Avrily 2012

Aly Silva dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza indrindra, raha tsy izy mihitsy no malaza indrindra, any amin'ny firenena kely andrefan'Afrika, ahitàna mponina 1 tapitrisa monja (jereo ny tafatafa nataon'ny Global Voices taminy). Olona miteraka adihevitra izy any amin'ilay firenena, satria tsy manafina ny fironany ara-politika. Nefa tsy mbola manam-paharoa izy raha resaka faharetana, fahavitrihana mamoaka lahatsoratra, ary ny fahazotoany manoratra blaogy.

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

  23 Avrily 2012

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny.Sunu2012 dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall tamin'ny 2008. Ity no hahafantarana bebe kokoa momba io tetikasa io :

Tanzania: Veloma Farany Ho An'ilay Kalazan'ny Sarimihetsika

  15 Avrily 2012

Nanao veloma farany ho an'ilay mpilalao sarimihetsika malaza indrindra,  Steven Kanumba, 28 taona, i Tanzania, nampihetsim-po tanteraka ny fandevenana azy tamin'ny 11 Aprily 2012. Namoy ny ainy izy ny Asabotsy maraimbe, rehefa avy nifamaly tamin’ ny sakaizany Elizabeth ‘Lulu’ Michael. Olona maherin'ny 30,000 no tonga nanome voninahitra azy farany tao an-drenivohitra, anisan'izany ny...

Mali: Mangina Tanteraka Ny Serasera Ao An-toerana

  10 Avrily 2012

Tototry ny bilaogy, tweet, sy lahatsary avy any ivelany ny tontolon'ny aterineto, somary mangingina kosa ny mpiserasera maliana. Satria iharan'ny fahatapahan-jiro lava matetika ny renivohitra Bamako kanefa tsy misy ny lasantsy tokony hampadehanana ny tobim-pamatsiana herinaratra. Tsy ny fandefasana lahatsoratra arak'izany no vaindoha-draharaha fa ny ahitana vaovao momba ny zava-mitranga ao Avaratra.

Malawi: Fihetseham-po Ao Amin'ny Aterineto Manoloana Ny Fahalasan'i Mutharika

  10 Avrily 2012

Manaraka ny fihetsehana ao amin'ny aterineto manoloana ireo vaovao milaza ny fahatafatesan'i Bingu wa Mutharika i Victor Kaonga. Filoha fahatelon'i Malaoi i Mutharika. Maty noho ny fijanonan'ny fitepon'ny fo izy ny marainan'ny Alakamisy. Ity no fotoana voalohany indrindra handevenan'i Malaoi filoha amperin'asa. *fanavaozana: Nanao fianianana amin'ny mahafiloha azy tao amin'ny Parlemanta ao Lilongwe tamin'ny 7 avrily 2012 lasa teo ny Filoha-levitra Joyce Banda.