Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Repoblikan'i Afrika Afovoany

17 Desambra 2018

Areti-mifindra, Fifandonana Sy Ireo Fotsy Hoditra Mpamonjy: Ny Endrik'i Afrika Nasiana Fanovàna Araka Ny Hollywood

Miresaka ny viriosy mitovitovy amin'ny ébola ny sarimihetsika "Outbreak", nivoaka tany amin'ny trano fijerena sarimihetsika tamin'ny taona 1995. Efa niova ve ny fijerin'i Hollywood an'i Afrika?

15 Oktobra 2018

Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?

Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny...

18 Aogositra 2018

DoGooderTV: Nisokatra ny fifidianana ho an'ny lokan'ny lahatsary tsy mitady tombontsoa

Nifarana ny Asabotsy 25 Aprily 2009 ny fifantenana ireo mifaninana Loka DogooderTV 2009 NonProfit Video, ary azo nojerena tao amin'ny tranonkalany ireo lahatsary samihafa nalefan'ireo fikambanana mba hampiroboroboana ny lohahevitra. Hasehonay anao androany ny sasany tamin'ireo lahatsary nifaninana izay nifantoka tamin'ny olana iraisampirenena.

26 Avrily 2018

Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika

"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"

04 Septambra 2014

Afrika : Dobo Vaovao Anovozan'ny Fampitam-Baovao Frantsay (Trondro Vaovao)?

Raha tsinjovina ny fisian'ny 85%-n'ny mpiteny frantsay amin'ny ampahany na manontolo eto Afrika amin'ny taona 2050, dia azo heverina fa hivelatra ny tsena

03 Janoary 2014

Tolo-Kevitra Fitondrana Tsara Tantana 3 Ho An'i Repoblikan'i Afrikafovoany, Madagasikara ary Mali

Indreto ny fepetra telo izay tsikaritry ny fiarahamonim-pirenena ao amin'ireto firenena telo potika ireto hanombohana ny fananganana indray ny rafitra politika.

03 Oktobra 2013

Repoblikan'i Afrika Afovoany : “Aza Adinoina Izahay!”

Niha-nahery vaika sady nanaitra ny fifandonana teo amin'ny governemantan'i Afrika Afovoany sy ireo mpikomy Seleka any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany hatramin'ny volana Desambra 2012. Mampahonena ny fari-piainan'ny olona any amin'ireo tanàna sasany, indrindra fa ireo ao anatin'ny firenena.

01 Febroary 2013

Repoblika Centrafrique: Tahaka ny Ahoana ny Tanjak'ilay Dinam-Pandriampahalemana?

Nanasonia dinam-pandriampahalemana vaovao tamin'ny 11 Janoary 2013 ny Repoblika Afrika Afovoany (CAR), tarihin'ny filoha François Bozizé sy ny mandatehezan'ny mpioko Séléka. Vita izao fifanarahana izao taorian'ny iray volan'ny  fikorontanana ara-miaramila [mg] sy ara-politika nahitana ny fandrosoan'ny mpioko mizotra mankany an-drenivohitra Bangui ao anatin'ny fikasana hanongana an'i Bozizé nandritra izany fandrosoana ara-tafika izany. Heverina hamoaka...

20 Janoary 2013

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

11 Janoary 2013

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...