· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2013

Ejipta : Ady Amin'ny Herisetra Ara-nofo Eo Amin'ny Kianja Tahrir

Ny andron'ny tsingerintaona voalohany nitondran'ilay Filoha teo aloha Mohamed Morsi, Ejiptiana an-tapitrisany no nanao hetsika ho fanoherana ny fitondrany. Raha iny nihafeno iny ny kianja Tahrir, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana tao afovoan-tanànan'i Kairo, dia nijoro nanohitra ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana ireo fikambanana miady amin'ny herisetra ara-nofo. Nahitàna fitomboany mantsy ny herisetra ara-nofo nandritra ilay famoriam-bahoaka farany teo alohan'io, indrindra fa teo amin'ny kianja Tahrir.

07 Jolay 2013

Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny fifandonana manerana an'i Ejipta androany, izay maro amin'ny ao tambajotra sosialy no milaza azy ho "nandrasana" sy "tsy fahita."

06 Jolay 2013

Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay miantso fifidianana filoha haingana. Ny 25 Janoary 2011, nanohitra ny fifehezana nandritra ny 32 taona nataon'i Hosni Mubarak ireo vahoaka Ejipsiana. Valoambinifolo andro taty aoriana, nametra-pialàna i Mubarak. Nandritra ny fotoana nisian'ny tetezamita, nentin'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana [CSFA] i Ejipta. Taorian'ireo fifidianana, Morsi, ilay kandidàn'ireo Mpirahalahy Silamo, no naka ny toeran'i Mubarak, nanjary filoha ny 30 Jona 2012. Ankehitriny, midina andalam-be indray ireo vahoaka Ejipsiana mangataka an'i Morsi hiala sady hamarana ny fitondran'ireo Firahalahiana Silamo any Ejipta.

05 Jolay 2013

Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona. Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao ary hantsangana ny governemanta teknokraty nasionaly. Nilaza ihany koa i Al Sisi fa mihantona ny Lalampanorenana ary hokarakaraina ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka.

04 Jolay 2013