Ejipta : Ady Amin'ny Herisetra Ara-nofo Eo Amin'ny Kianja Tahrir
Ny andron'ny tsingerintaona voalohany nitondran'ilay Filoha teo aloha Mohamed Morsi, Ejiptiana an-tapitrisany no nanao hetsika ho fanoherana ny fitondrany. Raha iny nihafeno iny ny kianja Tahrir, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana tao afovoan-tanànan'i Kairo, dia nijoro nanohitra ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana ireo fikambanana miady amin'ny herisetra ara-nofo. Nahitàna fitomboany mantsy ny herisetra ara-nofo nandritra ilay famoriam-bahoaka farany teo alohan'io, indrindra fa teo amin'ny kianja Tahrir.
Tao amin'ilay fanambarana an-gazety navoakan'ny Operation Anti-Sexual Harassment/Assault (OpAntiSH) na hetsika hiadiana amin'ny fikasihana/herisetra ara-nofo, 46 ireo tranganà herisetra ara-nofo voaray ny 30 Jona, andro nanombohana ilay hetsi-panoherana. Najoro ny faran'ny taona 2012 ny OpAntiSH hamonjena ireo nohararaotina ara-nofo izay hany velona nandritra ny hetsika ary hanome fitsaboana araky ny tatitra voarainy. Nanakiana ny governemanta ny OpAntiSH ny amin'ny tsy fahaizany mandray andraikitra amin'ireny tranga ireny, niampanga ny fisian'ny fisandohana eo amin'ny zon'ny vehivavy ao amin'ny fitondrana, mba ahatongavan'izy ireo amin'ny tanjony eo amin'ny sehatra politika. Nampian'izy ireo hoe :
Ny fitomboana be amin'ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana dia taratry ny fitomboan'ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy amin'ny ankapobeny mihitsy, ataon'ny fiarahamonina sy ny fanjakana, izay misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny fiarahamonina.
Human Rights Watch (HRW) dia namoaka fanambarana manameloka ny tsy firaharahian'ny rehetra manoloana ny herisetra ara-nofo misy. “Ny fitomboan'ny fanararaotana ara-nofo mandritra ny hetsi-panoherana ao amin'ny Kianja Tahrir dia mampivandravandra ny tsy fahaizan'ny governemanta sy ny antoko politika rehetra miatrika ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ao Ejipta amin'ny andavanandrom-piainany eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholo be,” hoy Joe Stork avy ao amin'ny HRW. Namokatra lahatsary iray koa ry zareo, nampitondrainy ny lohateny hoe “Ejipta : Fihanaky ny herisetra ara-nofo” ahitàna fijoroana vavolombelona ataon'ireo hany sisa velona tamin'ireo fanararaotana.
Anatin'ny ezaka iray ho fanazavana ny fampiasana herisetra ara-nofo nataon'ireo fitondràna samihafa nisy; ilay Filoha teo aloha Hosni Mubarak, ny Supreme Council of Armed Forces (SCAF) – Filankevitra Faratampon'ny Tafika Mtam-iadiana sy ny Firahalahiana Silamo, ny mpiaro ny zon'olombelona dia namokatra lahatsary mitondra ny lohateny hoe “Efa fampihatra mahazatra ny Herisetra Ara-nofo : miainga avy any amin'i Mubarak sy ny SCAF ka hatrany amin'ny Firahalahiana Silamo”. Toy izao manaraka izao ny fanambarana avy amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona :
Tsy ny hahazo fibabohana na torohay no tanjon'io fampijaliana ara-nofo io, fa kosa ny hanàla baràka, hampihorohoro ary ny hampanginana ny feon'ny tsy mitvy hevitra amin'ny tena. Tsy manavaka ny fampijaliana ara-nofo na lahy io na vavy, na antitra na tanora. Mitranga manerana ny faritra rehetra izany, na ety ivelany na any anatin'ny rindrin'ny fonja sy ny efitranon'ny polisy ato amin'ny firenena. Efa tonga hatrany amin'ny tranoben'ny Fitsarana Avo mihitsy ny herisetra ara-nofo, izay nahavoaolana an'i Ahmed Taha, metatra vitsy monja miala an'ireo mpitsara izay natao indrindra hiaro ny zony.
Nahatonga hatezerana maro tanaty filazam-baovao sosialy iny tatitra mahakasika ny herisetra ara-nofo iny. Nitory ny fahanginan'ny governemanta sy ny antoko politika tamin'io raharaha io ireo mafana fo. Satria niakatra ny maripàna teo amin'ny sehatra politika, dia nisy tamin'ireo mpikambana sy mpanohana tao no nanararaotra nampiasa iny tatitra mikasika ny herisetra iny hanaratsiana ny lazan'ny kianja Tahrir sy ireo mpanao hetsi-panoherana.Toy izao no namalian'i Gehad El Haddad, mpitondra tenin'ny Firahalahiana Silamo, ilay fanasana azy ho eny amin'ny kianja Tahrir :
@gelhaddad : Tena mampalahelo ny fikororosin'ny #Tahrir square (kianja Tahrir) . Tranga 7 nahitana fanolanana faobe, am-polony ny herisetra ara-nofo&halatra maro, …
Raha toa ny olona sasany ka miahiahy avy hatrany fa ny Firahalahiana Silamo no naniraka jiolahim-boto hanolana mba hampihena ny fandraisan'ireo vehivavy anjara amin'ny politika, ny hafa kosa mitsipaka izany, ary mihevitra fa lalina kokoa noho izany ny olana misy. Nizara tatitra i Mostafa Bahgat, izy ilay mafana fo iray tao amin'ny Facebook, nanakianany na ny fanjakana na ny mpanohitra na ny hery revolisionera [ar]:
??? ???? ????? ???????? ? ???????? ??? 25 ????? ???? ??? ???? ?? ???? ?? ?? ??? ???? ??????” ??????? ? ???????? ? ???????” ? ???? ????? ????? ? ???????. ????? ???? ????? ??????? ?????? ?????? ?????? ? ????????? ??? ?????? ?????? ?????? ???? ??????? ????? ? ???? ??? ????? ???????.
???? ?????? ??? ???
? ?????? ?? ??????? ???? ?? ??? ???? ????? ???? ??????? “?????? ” ?? ??????? ???? ?? ?????? ????? ? ?? ?? ????? ???? ?? ??? ??? ?? ??? ????? ??? ????? ?? ??? ??? ?? ????? ?? ????? ?????? ??? ?? ?????? ????? ???.
???? ?? ???? ??????? ????? ???????? ??????
????? ???? ???? ????? ?? ????? ?????? ???? ?? ???? ? ?????? ???? ???? ????? ?? ???? ????? ??????? ? ?????? ?????? ??? ? ????? ????? ? ?? ???? ???? ???? ????? ?? ????? ?????? “??????” ?? ?????
??????? ???? ?? ?????? ????? ?????? ???? ??? ?????? ???????? ??? ????? ????? ?? ????? ??????
??? ????? ?? ????? ?? ??? ?? ??????? “??????” ????? ???? ?? ??????? ?? ????? ? ????? ????? ???? ? ????? ?? ????? ?????? ?? ??? ????? ??????? ??? ??????.
Tamin'ny fotoana nitrangan'ny herisetra ny 25 Janoary lasa iny, nisy ny fampitandremana nataon'ny olon-tsotra, ny avy amin'ny antoko an-kavia sy nasionalista teny amin'ny filazam-baovao maro nikakiaka ny hoe manomana tetika hampihorohoroana ny vehivavy ny Fikambanana Silamo ary mihevitra ny hampiasa ny tetiky ny fitondrana teo aloha amin'ny fampiasana olona maro. Ary izao no niafarany. Maro amintsika no manao izay hanazavana amin'ny “tarika misy antsika” fa mbola lehibe noho ny resaka jiolahim-boto voaomana ilay raharaha ary ny fanolanana dia trangam-piarahamonina mahazatra misy manerana ny firenena maro; ary ahitàna resaka fanolanana hatrany ny gazety mpiseho isan'andro ; ary mitranga izany na dia amin'ny andro fety aza. Toy ny olona adala ny fiheveran'izy ireo antsika.
Fa maninona ny raharaha maloto toy izany no mitranga amintsika ?
Maro amin'izy ireo no mihevitra fa tsy misy dikany ireo olana manjo ny vehivavy. Ireo izay mba manohana kely ny vehivavy indray dia milaza fa tsy fotoanan'izany izao ; ny fiatrehana ny fahantrana sy ny fitondrana tsy manara-dalàna no zava-dehibe kokoa. Tsy ilaintsika ny varimbariana amin'ny zavatra ‘manan-daja’ saingy mbola anjorony toy izany.
Ny olana dia ny tsy fahitàn'izy ireo ny olan'ny vehivavy ary na manao izany aza izy ireo dia na ho amin'ny tombotsoany manokana na ho amin'ny tombotsoa politika. Mbola ho takianay hatrany izany mandra-piaikin'ny ‘tarikay’ fa manan-danja lehibe noho ny ady seza ireny herisetra atao amin'ny vehivavy ireny.
Misaina ny amin'ny maha-mety na tsia ny fizaràna vaovao mikasika ny herisetra ara-nofo ilay mafàna fo Engy Ghozlan :
???????? 44 ???? ?????? ??? ????? ?? ????? ???????? ?? ????? ???? ??? ?????? ??? ???? ?? ?????? ??????? ?? “??? ?? ???? ?????” ???? ?????? ??????? ?? ???? ???? ??? ????? ????????? ??? ??????? ?? 44 ?????? (???????? ??) ????? ?????? ????? ??????? ?????. ???? ???? ?? ?????? ???? ???? ?? ????? ??????.
44 no tranganà fanolanana tamba-be nataonà jiolahim-boto taminà tovovavy teny amin'ny kianja Tahrir androany. Indrisy fa tery anelanelan'ny fanoto sy ny laona isika. Ny iray, matahotra ny hiatrika ilay raharaha sao mantsy voaelingelina ny tena votoatin'ny fitakiany. Ny iray indray, manararaotra ilay raharaha hanaratsiana ny ankilany. Ary ny hiafarany, vatana telo malalaka an'olona 44 no naolan'ny vahoaka mahafinaritra androany.Tsy misy fiovàna miaraka aminà fanolanana izany. Tsy misy fiovàna miaraka aminà vatàna voaolana izany.
Miha mitombo be ny fikambanana miady amin'ny fanolanana an-dalambe sy ny herisetra toy ny Tahrir Bodyguards, ny Imprint Movementsy ny maro hafa. Yasmin ElRifae dia mizara ny heviny momba ny fandraisana anjara amin'ireny fikambanana ireny tanatinà lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “No Apologies” na ” Tsy misy fialantsiny” :
Tena mankahery ahy tokoa ny fahitàna ireo vehivavy sy lehilahy maro namela ny zava-drehetra hatrany hatrany mba hiadiana amin'ny herisetra ara-nofo, manao sorona ny filaminan-tsainy sy ny vatany ary miezaka mikaroka, mamorona ary entanim-po. Mila manantena aho fa misy olona maro izay mahita fa marolafy ny dingan'ny fandrosoana eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina, saro-bahàna kokoa sady sarotra kokoa noho ny fitakiana ny fialàn'ny Filoha na governemanta iray.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...