Ny Tantara Ambadiky ny Lahatsary [Hosoka] Nisamborana an'i Morsi

Nisy lahatsary nampiseho izay nolazalazaina ho fisamborana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi mitety ny aterineto amin'izao fotoana izao. Efa nisy namoaka tamin'ny YouTube tamin'ny 21 mey 2013 ihany io lahatsary notononina io ka nitondra ny lohateny hoe “Ny fotoana nisamborana ny filoha Mohamed Morsi sy ny zanany lahy.”

Voaongan‘ny [mg] miaramila ejipsiana androany [ 4Jolay] Morsi rehefa nanao ny fanompoana mahafiloha azy nandritra ny herintaona. An-tapitrisany ny olona nivory nanerana an'i Ejipta hatramin'ny 30 jona, tsingerintaona voalohany nitondrany, ka nitakiana ny hialany — sy ny antokony Mpirahalahy Miozolomana — eo amin'ny fahefana. Nanendry ny filoha vonjimaika ny tafika ejipsiana androany, nampihantona ny lalampanorenana ary nampanantena fa hatao tsy ho ela ny fifidianana filoha sy solombavambahoaka.

Ny lahatsary vaovao, nitondra ny lohateny hoe “Ao amin'ny lahatsary,fisamborana an'i Morsi”, no nisy namoaka tao amin'ny YouTube ary nanomboka tamin'ny fifandresen-dahatry ny olona [ar] milaza fa tokony ametahana roovy “izy” ary “karakaraina tahaka ny fikarakara jiolahy hafa.”

http://www.youtube.com/watch?v=xyt6r0qr7xY

Nifanontona moa ny fotoana nivoahan'ity lahatsary ity sy ny tatitra fa napetraka amina trano manokana i Morsi, ka nampisaritaka ny sain'ny maro.

Nanamarika i Iyad El-Baghdadi:

@iyad_elbaghdadi: Reportedly #Morsi arrest video. Someone is saying over & over “he should step out in handcuffs”. http://bit.ly/12mCD28 #Egypt

Lazaina fa lahatsary nisamborana an'i #Morsi. Misy miteny mafy hatrany hatrany ao hoe “tokony fatorana rojovy ny tanany”

Ary nampiany:

@iyad_elbaghdadi: I don't understand the context of #Morsi arrest vid. Some army officers, but what are civilians doing there? http://bit.ly/12mCD28 #Egypt

Tsy azoko ny fandehan'ny tantaran'ny fisamborana an'i Morsy ao amin'io lahatsary io. Ao ny manamboninahitra sasany, fa inona ny ataon'ny sivily ao?

Nizara ny rohin'ny lahatsary tao amin'ny Twiter ny mpanao gazety Jenan Moussa tamin'ny voalohany fa nanala izany avy eo. Manazava izy:

@jenanmoussa: I am deleting the video of alleged arrest of Morsi. Not confirmed at all. Apologies.

Nofafako ny sary lazaina fa fisamborana an'i Morsi. Tsy voamarina mihitsy. Miala tsiny.

Nisioka i Egyptocracy:

@Egyptocracy: There is an false video circulating now of alleged “#Morsi arrest”, he was never arrested, he was under republican guard protection. #Egypt

Misy lahatsary hosoka amin'izao fotoana izao izay lazaina fa “fisamborana an'i Morsi”, tsy nosamborina mihitsy izy, eo ambany fiarovan'ny mpiambina repoblikana izy.

Mandritra izany fotoana izany, nanamarika ny mpanao gazety Ejipsiana monina ao Kairo Amira Howeidy hoe:

@amirahoweidy: Morsi under house arrest. Not one single MB figure is accessible. All religious channels switched off. Islamists r silenced. What next?

Notazonina manokana an-trano i Morsi. Tsy misy na dia olon'ny Mpirahalahy Miozolomana iray azo antsoina. Maty avokoa ny fantsona ara-pivavahana rehetra. Nampanginina ny Islamista. Inona koa ny manaraka?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.