Naongan'ny Ejipsiana i Morsi sy ny Fitondran'ny Mpirahalahy Miozolomana

Mohamed Morsi, mpikambana zokiolona ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, dia tsy filohan'i Ejipta intsony. Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona.

Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao ary hantsangana ny governemanta teknokraty nasionaly.

Nilaza ihany koa i Al Sisi fa mihantona ny Lalampanorenana ary hokarakaraina ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka.

Maro ny faly tamin'ny fahataperan'ny fiteronteronan'ny Mpirahalahy Miozolomana eny antampon'ny politika Ejipsiana. Nanoratra i Rasha Abdulla:

Al Sisi announcing the end of Morsi's rule. Screen grab from CNN International

Al Sisi nanambara ny fiafaran'ny fitondran'i Morsi. Pikantsary tamin'ny CNN Iraisampirenena

@RashaAbdulla: EGYPT BRINGS ABOUT THE DOWNFALL OF THE MUSLIM BROTHERHOOD. HISTORY IN THE MAKING.

Mitondra ny fianjeràn'ny Mpirahalahy Miozolomana i Ejipta. Miodina ny tantara.

Mihoraka ilay Ejipsiana Hossam Eid [ar]:

مافيش اخوان تاني

@EidH: Tsy hisy intsony ny Mpirahalahy [Miozolomana]

Raha eo amin'ny fampiantonana ny lalampanorenana indray dia maneso ilay bilaogera Eman AbdElRahman:

الى مزبلة التاريخ ياأعظم دستور في العاااااالم

@LastoAdri: Any amin'ny fakon'ny tantara ilay lalampanorenana lehibe indrindra nanerana ny tany

Tatitra avy eny amin'ny kianja Tahrir, ivom-besatry ny revolisiona Ejipsiana ao afovoan-tanànan'i Kairo:

@Beltrew: I have never seen anything like this before: Beladi beladi beladi song filters through roar of crowd & explosion of fireworks #Egypt

Tsy mbola nahita tahaka izao aho hatrizay niainako: manavatsava ny horakoraky ny vahoaka ny hiran'i Beladi beladi beladi ary mirefodrefotra ny afomanga #Egypt

Etsy ankilan'izany, nahatezitra ny mpanohana an'i Morsi ilay fanambarana. Mitatitra i Mosa'ab Elshamy:

@mosaabrizing: So much anger at MB sit-in. Hearing distant gunshots.

Fahatezerana aoka izany ao amin'ny toerana fanaovan'ny mpirahalahy Miozolomana sit-in. Mandre feombasy lavidavitra any.

Manaraka akaiky ity toe-draharaha ao Ejipta ity ihany koa ny Arabo.

Misioka ilay Yemenita Abdulkader Alguneid:

@alguneid: #Egypt Army is sacking Morsi, right now

Roahin'ny tafika Ejipsiana i Morsi amin'izao fotoana izao

Mihoraka ilay Bahrainita Salma:

جميلة يا #مصر

@salmasays: Mahafinaritra i Ejipta

Manamarika i Mansoor Al-Jamri, avy any Bahrain ihany koa:

المصريون يصححون المسار وينهون حالة الاختطاف التي تعرض لها الربيع العربي. تحي مصر.

@MANSOOR_ALJAMRi: Nahitsin'ny Ejipsiana ny dia ary nofaranany ny fisoavaliana ny Lohataona Arabo. Ho ela velona i Ejipta!

Manana fijery hafa kosa ilay Maraokana Ahmed:

مصر في طريقها لتصبح باكستان.. إنتخابات ونقلاب .. إنتخابات وإنقلاب … إنتخابات انقلاب.. والنتيجة: كفر بالديموقراطية وتطرف ديني وسياسي

@blafrancia: An-dalam-piovana ho toa an'i Pakistan i Ejipta. Fifidianana sy fanonganam-panjakana. Fifidianana sy fanonganam-panjakana. Fifidianana sy fanonganam-panjakana. Ny vokany dia tsy fitokisana amin'ny endriny manontolo ny demokrasia sy ny fironana ho amin'ny fivavahana sy politika mahery setra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.