Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2017

Tonizia: Ilay vehivavy Voalohany Voaheloka 6 Taona An-tranomaizina Noho ireo Asany An-tserasera

I Mariam Zouaghi no vehivavy toniziana voalohany voaheloka vokatry ny Lalàna miady amin'ny fampihorohoana nivoaka tamin'ny 10 desambra 2003. Voasambotra tamin'ny 26 jolay 2008 i Mariam noho izy nijery ireo tambajotra Web voaràra, [...] ny fiampangana azy dia mifandray amin'ireo asany an-tserasera

Ejipta : 18 Aprily, Andro Iadiana Amin'ny Sotasota Atao Amin'ny Vehivavy

Afaka atao ny fanamarihana ireo mpanao herisetra amin'ny ranomainty eo amin'ny tarehiny izay tsy hamela marika maharitra izany, toy ilay ampiasaina mandritra ny fifidianana, rehefa mandona ny rantsan-tanany ao anatin'ny ranomainty ireo efa nifidy

Ny Fanaovana Lohamboto no vahaolana

Tao anatina lahatsoratra lava be anankiroa, mamaritra ny zavatra hitany (Arabo) i Mohamed; sabatra, antsy, tapa-kazo, fividianana vatom-pifidianana, tsy fihetsehan'ny polisy, jiolahimboto mandrangitra mpifidy, fifandonana teo amin'ny MB sy jiolahimboto, fiara vaky fitaratra anoloana.

Nahazo Ny Lokan'ny Human Rights First i Nora Younis Bilaogera Egyptiana

Nahazo ny Annual Human Rights Award ilay bilaogera Egyptiana sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Nora Younis.

Somalia: Tsy Fankalaza ny Fanaovana Piraty

Miresaka momba ny piraty an-dranomasina ny bilaogeran-dahatsary samihafa izay mitantara ny tranganà fakana an-keriny nataon'ny piraty Somaliana vao haingana sy ny fomba fiarovan'ny governemanta ny sambo mpitondra entanan'ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany eny an-dranomasina.

Mbola Manivàna Ny Tranonkalan'ny Mpifanandrina sy Mpitsikera Indray Ny Manampahefana Palestiniana

Mpitsikera ny Manampahefana Palestiniana sy ny Filohany, Mahmoud Abbas, ireo tranonkala voasakana.

Tonizia : Andro Mainty Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy

Bilaogy Toniziana maro, ao anatin'izany ireo bilaogy tsy mavitrika nandritra ny volana maro, no voasivàn'ny manampahefana tamin'ny tsy nisy antony. Lina Ben Mhenni, izay voasivàna ny bilaoginy, no mitatitra ireo bilaogy tsy azo idirana intsony ankehitriny any Tonizia.

Libanona : Mafana Fo Nanakorontana Ny Fivoriana Niarahana Tamin'ny Mpanao Politika Sy Nitaky Endrika Ara-politika Tsaratsara Kokoa

"Tianay nolazaina tamin-dry zareo " Maimbo ianareo, efa lany daty ... nangalarinareo amin'ny alàlan'ny tsy famelanareo azy hifidy ny zon'ny vahoaka

Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”

Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny "Famonoana Faobe Goavana kokoa" ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao i Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny 'famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany."

Arabia Saodita: Voagadra Tanaty Birao

Efa taraiky niasa hariva tao amin'ny birao ve ianao? Mizara amintsika ity tantara mahaliana momba ny fomba nahavoahidy azy tao amin'ny biraony indray alina ity i Ar6abon [Ar] avy any Arabia Saodita.