Tonizia: Ilay vehivavy Voalohany Voaheloka 6 Taona An-tranomaizina Noho ireo Asany An-tserasera

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2009)

Tamin'ny alakamisy 14 may 2009, namoaka sazy ho anà tovovavy 22 taona, mpianatra amin'ny teknolojiam-baovao sy ny serasera, Mariam Zouaghi, ny efitrano faha-5 mikasika ny heloka bevava ao amin'ny Tribonaly Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Tunis, izay ho fisorohana, noho ireo fiampangana mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana. Voaheloka 6 taona an-tranomaizina izy.

I Mariam Zouaghi no vehivavy toniziana voalohany voaheloka vokatry ny Lalàna miady amin'ny asa fampihorohoana nivoaka tamin'ny 10 desambra 2003.

Voasambotra tamin'ny 26 jolay 2008 i Mariam noho izy nijery ireo tambajotra Web voaràra, namoaka ireo lahatsoratra momba ireo lazaina ho “toerana fifampiresahan'ireo mahery fihetsika” sady nanangom-bola mba hanohanana ny mponina ao Gaza.

Tamin'ny tafatafa an-telefaonina niaraka tamin'ny Global Voices Advocacy, nitatitra ny mpisolovava mpiaro, Samir Ben Amor, fa niantsoantso ny tsy fananany tsiny i Mariam Zouaghi sady nandà ireo fiampangana ho mpikambana anaty vondrona mpampihorohoro. Notsipihany ihany koa fa ny fiampangana azy dia mifandray amin'ireo asany an-tserasera sy ny fanohanany ireo mponina ao Gaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.