Syria: Fahanginana Manoloana Ny “Famonoana Faobe Goavana Kokoa”

(Marihina fa tamin'ny 14 Martsa 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Tamin'ny 29 Febroary, nandrahona ny “Famonoana Faobe Goavana kokoa” ho an'ny Palestiniana i Matan Vilnai, Minisitra lefitry ny Fiarovana ao Israely. Mampitaha ity fanehoan-kevitra ity amin'ny fahanginan'izao tontolo izao ilay bilaogera Syriana Ayman, avy ao amin'ny Damascene Blog sy ny fisahotahana manoloana ny antson'ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny  ‘famafana an'i Israely eo amin'ny sarintany.”

Hoy i Ayman (Ar) nanazava:

تقوم الدنيا ولا تقعد عندما يتحدث أحمدي نجاد عن إفناء إسرائيل. يعلّق على الموضوع رؤساء الدول والصحف والمجلات بل حتى الأمين العام للأمم المتحدة، ويستدعى سفراء إيران في عواصم العالم لتبليغهم الاحتجاجات. أما عندما يهدد مسؤول في الحكومة الإسرائيلية بإقامة هولوكوست جديدة في غزة، يتم تجاهل الموضوع كأن شيئاً لم يكن.
حكومة تدعي أنها تمثل الشعب الذي عانى ويلات الهولوكوست تهدد شعباً آخر بـ”هولوكوست أكبر”، كما جاء في تصريح الوزير الإسرائيلي، والأمر -مع ذلك- لا يستحق الشجب أو الإدانة أو التعليق، حتى عندما تشرع إسرائيل بتنفيذ التهديد.
ما تعرض له الفلسطينيون من تطهير عرقي وجرائم حرب (بدءاً بالمذابح والترحيل الجماعي في 1948) وما يتعرضون له اليوم من حصار وعقوبات جماعية وقتل للمدنيين، يشبه -بلا شك- ما تعرض له اليهود خلال الحرب العالمية الثانية. وقد جرت العادة على أن يتعرض كل من يرسم هذه المقارنة للاتهام بمعاداة السامية.

Mijoro izao tontolo izao ary tsy mipetraka, raha niresaka momba ny famafana an'Israely ao amin'ny sarintany i Ahmadinejad. Naneho hevitra momba izany ny lohan'ny fanjakana rehetra, ny gazety, ny gazetiboky ary eny fa na dia ny filohan'ny Firenena Mikambana ihany koa aza, ary nampanantsoina mba hihaino ny hetsi-panoherana ny Ambasadaoro Iraniana isan-drenivohitra. Na izany aza, rehefa misy manampahefana ao amin'ny governemanta Israeliana mandrahona ny hanao Famonona faobe vaovao ao Gaza, dia tsy raharahiana ny olana toy ny hoe tsy misy dikany izany.
Mandrahona ny firenena hafa amin'ny “Famonoana Faobe kokoa” ankehitriny ny fitondram-panjakana izay milaza fa misolontena ny olona izay mijaly noho ny tebitebin'ny Famonoana Faobe araka ny nambaran'ny minisitra Israeliana. Na dia teo aza izany, dia tsy tokony hisy ny fanamelohana ho an'ity olana ity na fanehoan-kevitra, na dia miroso amin'ny fampiharana ny fandrahonana aza i Isiraely .
Iharan'ny fanadiovana ara-poko sy ny heloka bevava an'ady ny Palestiniana, nanomboka tamin'ny famonoana ny vondron'ireo natao sesitany tamin'ny taona 1948. Tsy misy isalasalana ny tena himasoany ankehitriny eo amin'ny resaka fanidiana ny sisintany, ny sazy sy ny famonoana ny olon-tsotra, fa mitovy amin'ny fampijalina ny Jiosy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Ary lasa mahazatra ho an'ny olona rehetra izay manao ity fampitahana ity ny hiantsoana azy hoe antisemita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.