Arabia Saodita: Voagadra Tanaty Birao

(Marihina fa tamin'ny 2 May 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Efa taraiky niasa hariva tao amin'ny birao ve ianao? Mizara amintsika ity tantara mahaliana momba ny fomba nahavoahidy azy tao amin'ny biraony indray alina ity i Ar6abon [Ar] avy any Arabia Saodita.

Nanazava izy:

احمد الله تعالى خلال هذا الأسبوع اصبحت أداوم في الوظيفة الجديدة .
وبحكم أني جديد لازم أثبت جدارتي وحماسي واندفاعي
المكتب عبارة عن وكيل لشركة عالمية , ومكتب جدة لازال في طور التأسيس , أُعتبر أنا أول موظف في المكتب ..
ولازلت حتى هذه اللحظة أداوم لوحدي .. اسرح وأمرح
حصل لي موقف أمس .. لا أحسد عليه أبدا
سبق وأخذت معي مجموعة من الملفات والعقود والدراسات الخاصة من المكتب إلى البيت , لأقوم بقراءتها وتفحصها .. حتى أكون على إطلاع ومعرفة .
ليلة أمس خرجت من البيت الساعة 11 ونص مساءً , وأنا في اتجاه الكورنيش .. مريت من قرب مقر العمل , قلت في نفسي : خليني انزل واحط الأوراق في المكتب .. وامشي
وبالفعل : طلعت للمكتب وتركت الأوراق , كان فيه شئ آخذت في قراءته , ومضى الوقت .. تفاجئت بأن الساعة صارت 12 ونص صباحا !! ..
قمت بسرعة لأخرج من المكتب , نزلت من المصعد .. وتفاجئت أن بوابة العمارة مغلقة
يظهر أن الحارس قام بإغلاق الباب بحكم أن الوقت تأخر , والمفترض أنه لا يوجد أحد في المكاتب والشركات .
وقتها أحسست بالإختنااااق .. لا يوجد أي طريقة للخروج أبدا !!
عدت للمكتب , شغلت المكيف .. وضحكت على نفسي شوي وبعدها اديييتها نومه على الكنب ..
قمت الساعة 7 والنصف صباحا
(( الناس تدخل للمكاتب لبداية اليوم الوظيفي , وأنا خارج من المكتب ووجهي معفوس ومتجه للبيت ))
موقف عجيب صراحة هههههههههههههه ..
وش رآيكم في الموقف هذا ؟

Misaotra an'i Allah aho fa efa nanomboka ny asako vaovao tamin'ity herinandro ity. Ary koa satria aho mbola mpiasa vaovao dia tsy maintsy miasa mafy mba hanaporofoana ny traikefako, ny hafanampoko sy ny fahavononako hiasa. Mpandraharaha ho an'ny orinasa iraisampirenena ny toeram-piasana ary mbola vao eo an-dalam-pametrahana ny biraon'i Jeddah , ary izaho no olona voalohany nampiasaina tao. Hatramin'izao, izaho irery no olona miasa ao, mampamalifaly ny tenako samirery. Nitranga tamiko omaly ny zavatra tsy hisy haniry izany hitranga aminy. Nitondra dosie, fifanarahana ary fampianarana maromaro aho niaraka tamiko avy any amin'ny birao ho any an-trano mba ahafahako mamaky izany sy handinika izany akaiky, mba hahafantarako ny zava-mitranga ihany koa. Niala tany an-trano aho tamin'ny 11.30 alina, ary raha mbola teo amin'ny lalambe izay nahatazanana ny Corniche (anoloan'ny ranomasina) aho, dia nandalo ny biraoko. Hoy aho hoe: “Aleo aho hidina ka hiverina hametraka ireto taratasy ireto ao amin'ny birao ary handeha avy eo.” Ary nanao izany fotsiny aho. Niakatra tany amin'ny birao aho, ary nametraka ireo taratasy. Nisy zavatra nahasarika ny masoko anefa, nanomboka namaky izany aho, ary nandeha ny fotoana .Taitra mafy aho raha nahita fa efa tamin'ny 12.30 alina. Nitsangana faingana aho hody any an-trano. Nandray ny fanakadrihana nidina aho ary gaga raha nahita ny varavaran'ny tranobe nihidy. Toa ny mpiambina no nanidy ny varavarana satria efa alina ny andro ary tsy misy mpiasa miasa intsony ao amin'ny orinasa amin'izao fotoana izao.
Tsapako tena sosotra aho. Tsy nisy lalan-kivoahako mihitsy !!
Niverina tany amin'ny birao aho, nalefako ny rivotra mampangatsiatsiaka ary nihomehy ny tenako aho. Rehefa afaka izany, natory teo ambony seza aho.
Nifoha aho tamin'ny 7.30 maraina.
Niditra ny biraony ny olona mba hanomboka ny asany, raha niala ny birao kosa aho miaraka amin'ny tarehiko tsy misasa, hody any antrano.
Tena traikefa hafahafa .. Haha .. Ahoana ny hevitrao momba izany?

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.