Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2017
Fahatsiarovana an'i Gholamreza Takhti, Mpanao Fanatanjahantena Be Mpitia Indrindra Tao Iran Nifampitolona Tamin'ny Shah
Ny fanoheran'i Takhti ny fitondrana ihany koa no nahavoa azy. Hita tao amin'ny efitra fandraisambahiny iray ny vatana mangatsiakany tamin'ny 7 Janoary 1968.
Mandroaka Sendikalista iray Malaza i Libanona, Mitsapa Ny Fanapahankevitr'ireo Mpiasa Mpifindra Monina
Mamoritra ireo mpikambana anaty sendikà tafiditra ao anatin'ny fikarakarana ny mpiasa mpifindra monina ao amin'ny firenena ireo tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny lalàna any Libanona ary mahatsapa ny tenany no voaporitra sy tsy manana safidy firy ireo mpiasa mafana fo.
Ho An'ireo Mpampiasa Telegrama, Manamafy Ny Fahefan'ny Fanjakana Mitsikilo Ny Fitakiana Amin'izy ireo ny Fisoratana Anarana Ao Iràna
Telegram no fampiasa fandefasana hafatra malaza indrindra ao Iràna ary mampiantrano fantsona Iraniana mihoatra ny 170.000. Ny politika vaovao dia mitaky ny fisoratana anarana ao amin'ny fanjakana ho an'ireo tompon'ny fantsona malaza indrindra.
Fandrarana ny Fivoahana Ivelan'ny Firenena no Amoretan'ny Manampahefana Ejipsiana ireo Mpikatroky ny Zon'olombelona
Nandritra ny roa taona farany ny governemanta no niasa nandrafitra ny rafi-dalàna hanitsakitsahana ny lalàm-panorenana. Tsy mba nahita izany izahay na dia tamin'ny fotoana nitondran'i Mubarak aza.
Famonoana Ilay Ambasadaoro Rosiana Tao Torkia: Bala Avy Any Aleppo Ve?
Nanipy baolina tsy fahita firy mikasika ny fandraisan'anjaran'ny fireneny amin'ny ady ao Syria ilay Rosiana mpanao politika mpanohitra .
Adin'i Syria, Mety ho Ananana Lahatahiry Betsaka Indrindra Hatramin'izay—Nefa Kely ny Fantatsika Momba Azy
Tamin'ny fiafaran'ny fahirano mandravarava an'i Aleppo atsinanana, mijery sy misaran-kevitra ary mifandresy lahatra amin'ny dikan'ny hafatra zarain'ireo sisa tavela ao amin'ny fampitam-baovao izao tontolo izao.
Endrika Ivelany Fotsiny Ihany: Ny Herinadro Lasa Teto Amin'ny Rakipeon'ny Global Voices
Tamin'ity herinandro ity, Paragoay, Iràna, Katàra ary Karaiba no nitondranay anareo. (Herinadron'ny 19 Des 16)
Vehivavy Syriana Misaotra Ny Tafika Rosiana Amin'ny Kalandrie Vaovao Manaitaitra Novatsian'i Kremlin
Noho ny fanampian'i Kremlin, dia nivoaka ny kalandrie raitra mampiseho sarinà vehivavy syriana am-polony tsara tarehy, ahitàna andian-teny sahisahy izay midera ny fanelanelanana ara-tafika nataon'i Maosko tany Afovoany Atsinanana.
Iraniana Mpiaro Ny Zon'ny Sivily: Manohy Ny Fitokonany Tsy Misakafo, Manohitra Ny Nisamborana Ny Vadiny Noho Ny Fanoratana Tantara An'eritreritra
Nahatratra ny teboka faratampony ny fanentanana hamonjena ilay mpiaro ny zon'ny sivily Arash Sadeghi. Tao anatin'ny roa volana nanaovany fitokonana tsy misakafo, maro no manahy hoe ambivitra ny ain'i Sadeghi.
Tatitry Ny Mpiserasera: Nahatratra Haavo Vaovao Ny Fandrahonana Ny Fiarahamonim-pirenena Any Makedonia, Ejipta
Manome topimaso iraisam-pirenena amin'ireo fanamby, fandresena, ary fironana vaovao eo amin'ny zon'ny aterineto manerana izao tontolo izao ny tatitry ny mpisera ao amin'ny Global Voices Advocacy