Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Endrika Ivelany Fotsiny Ihany: Ny Herinadro Lasa Teto Amin'ny Rakipeon'ny Global Voices

(Lahatsoratra nivoaka ny 23 Desambra 2016)
Nijery ireo tantara sasany nivoaka vao haingana teto amin'ny efitrano famoahambaovaon'ny Global Voices ny rakipeon'ny “Ny Herinadro Lasa” . Mampiditra anareo amin'ireo olona, toerana ary hetsika avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao nefa tsy mba mahazo ny fandrakofana sahaza azy avy amin'ireo mpampahalala vaovao mahazatra izahay.

Tamin'ity herinandro ity, tantara avy any Paragoay,Iràna, Katàra ary Karaiba no norenesintsika, angano, tantara izay manao fanamby amin'ireo fomba fijery mahazatra andavanandro.

Isaorana manokana ilay Trinidadiana mpilalao an-tsehatra, Michael Cherrie, ireo mpianatra mozika ao amin'ny Anjerimanontolon'i Trinidad sy Tobago, Janelle Xavier sy ireo mpianatra mbola amperiny Tenisha Richards-Weekes ary Karian Forde tamin'ny fandrindràna sy fanomezana feo ny ampahany #LifeInLeggings (fiainana anaty leggings). Feno fisaorana ihany koa izahay ho an'ny mpiaramiasa amin'ny Global Voices, Andrea Arzaba, tamin'ny fanampiany anay niaraka tamin'ny mozika.

Ary mazava ho azy, fisaorana mitafotafo ho an'ny toniandahatsoratry ny Global Voices ao Iràna, Mahsa Alimardani, ny toniandahatsoratry ny Global Voices ao Karaiba, Janine Mendes Franco, ary ireo rehetra mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary toniandahatsoratra izay nanampy nahatontosana ity fizaràna ity.

Anatin'ity fizaràna ity, nasongadinay ny mozika nampiasàna ny lisansa Creative Commons nalaina tao amin'ny Raikitra Mozika Malalaka “Free Music Archive”, ahitàna ny Please Listen Carefully an'i Jahzaar; Co-Creators (feonkira)  an'i Nick Jaina; Westside Chillers an'i Little Glass MenBind thy wings an'i krackatoa; Tiptoe (feonkira) an'i  YEYEY; ary The Bears just for show an'i krackatoa.

Sary nasongadina: avy amin'ny Flickr an'i Wendy, CC BY-NC 2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.