Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2015
VAOVAO MAFANA: Fifampiraharahana Ara-Nokleary Manatantara Ho an'i Iran Vita Tao Viena
"Anio no mety ho faran'ny fanantenana momba ity lohahevitra ity. Saingy eo am-panombohana toko vaovao amin'ny fanantenana isika.."
R.I.P. Özgür Uçkan: Lasa ny Iray amin'ireo Andrarezin'ny Mpiseraseran'i Torkia
Maty tamin'ny 10 jolay 2015 ny Dr. Özgür Uçkan mpitondra fahazavana teoamin'ny ady ho amin'ny fahafahan'ny internety tao Torkia.
Jirihan'ny ISIS Ilay Tranonkala Siriana Fanarahana Maso Ny Zon'Olombelona Ary Rahonany Ny Talen'izy io
Voalaza fa rahonan'ny miaramilan'ny aterineton'ny ISIS ilay Siriana, Rami Abdelrahman, talen'ny Fanarahana maso ny zon'olombelona, noho ny andraikitra notànany tamin'ny fandraketana ireo fanitsakitsahana zon'olombelona nataon'ny mpisehatra rehetra tamin'ny ady misy ankehitriny ao Syria.
Maty Tamin'ny Faha-75 Taonany ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana Teo Aloha
Manomboka amin'ny filazalazana azy ho olompanjakana hendry ka lasa mpanavakavaka sy mpankahala vahiny, naneho hevitra tamin'ny fahafatesan'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Saodiana teo aloha Saud Al-Faisal omaly 9 jolay ny mpiserasera
Qatar: Tonian-Dahatsoratra Saika Nidiran'Angano Noho Ny Resaka “Kama Sutra”
Inona no ataon'ny tonian-dahatsoratra iray ao anatin'ny firenena mpifikitra amin'ny nentin-drazana any amin'ny Helodrano Arabo rehefa misy sary miresaka "kama Sutra" nivoaka tao amin'ny gazetiny? Ary ny zava-dehbe indrindra, ahoana no fandraisan'ny vahoana izany?
Nofosafosain'ny Vahoaka Toniziana Ny Governemanta Nohon'ny Tsy Fahombiazan'Ny Fandriampahalemany Taorian'Ny Fanafihana Toeram-Pitsangatsanganana Iray
Nanakiana ny tsy fahombiazan'ny governemanta amin'ny resaka fandriampahalemana ny vahoaka Toniziana vokatry ny fisian'ny fanafihana teny amin'ny toeram-pitsangatsanganana iray teny amoron-dranomasina, namoizana ain'olona miisa 39.
Miverina Indray Ny Fampiresahana Saribakoly Ratsy Endrika Ao Iràna
Ny Kolah Germezi (na "Satroka Mena") dia fandaharana iray mandeha amin'ny TV ary ankamamian'ireo Iraniana, mampiseho fitambaranà resaka mahatsikaiky sy mozika. Lazain'ny mpamokatra azy fa manana mpijery 35 tapitrisa ilay fandaharana.
Mianatra Momba ny Lantern Fitaovana Miady amin'ny Fanampenam-Bava
Nifampiresaka tamin'ny GV Advox i Adam Fisk, mpanorina sy mpandrafitra rindrambaiko nanao ny Lantern, sy i Maryam Abolfazli, tompon'andraikitra lehiben'ny fampiasana ny Lantern hahalalana bebe kokoa momba ity fitaovana ity.
A-WA Hoy i Israely — ‘Eny!’ — Ho An'ireo Mpirahavavy Yemenita Mihira
Tsy vao ela akory, ireo Jiosy avy any amin'ny firenena Arabo monina any Isiraely - antsoina hoe Mizrahim - no jerena ho toy ny saranga amin'ny antanan-tohatra faharoa. Fa ankehitriny, "lasa mahafinaritra ny maha-Mizrahi ."
Steven Salaita: Nahazo Asa Ao Amin'ny Anjerimanontolo Amerikana Ao Beirut, Miresaka Ireo Politikan'ny Mainty Hoditra Sy Ny Firaisankina Amin'i Palestina
Taorian'ny fandàvana ny hitànany andraikitra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Illinois noho ireo bitsika miaro ny Palestiniana, i Salaita no ho lasa Edward W. Said lehiben'ny Fianarana momba ny Amerikana Studies ao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Beirut